Nahitsy ny Filohan'ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) nilaza fa raha misy ny
tompon’andraikitra tokony hametra-pialana dia ny Praiminisitra Ntsay Christian amin’ny maha mpitantana ny raharaham-panjakana azy, eo anatrehan'ny fialana andraikitra sy filazana fa tsy fahafantarana ireo raharaha goavana mikasika na mamatotra ny Firenena. Ny Filoha sy ny Praiminisitra izay nolazaina fa tsy tafiditra sy tsy nahafantatra an'iny afera iny. Fiaramanidina miisa 5 be izao nomena laharana Malagasy sy nolazaina fa hampiasaina eto anefa ny resaka. « Efa tsy mahafantatra ny zava-misy eto amin’ny firenena Malagasy intsony ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra raha milaza fa voafitaka tamin’ity raharaha Boeing 777" hoy i Hajo Andrianainarivelo. Nambarany fa tsy azo ekena ny fialokalofana ao ambadiky ny fahanginana na ny fiandrasana ny fidiran’ny FBI amin’ity raharaha ity vao ho fantatra ny marina. Mbola maro moa ny mametra-panontaniana mikasika ity hoe efa eto tokoa ve? Tsara toerana hiantso sy hampanao fanadihadiana azy ireo ve ny Fanjakana sa anatin'ny tokony hohadihadiana? Betsaka ny ahiahy! Nahoana no tsy mbola nantsoina ny Ambasadaoron’i Iran mipetraka eto Madagasikara, araka ny mahazatra amin’ny toe-javatra toy izao eo amin’ny sehatra diplaomatika ? hoy i Hajo Andrianarivelo. Vao andro vitsy lasa ny tenany no nampahatsiahy fa na dia tranga iray goavana manohintohina mivantana ny fiarovana ny Fanjakana aza ity raharaha ity, sady mampiseho porofo mazava momba ny kolikoly avo lenta, no manimba tanteraka ny endrik’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia mbola tsy nisy fanambarana na fanehoan-kevitra mazava navoakan’ny tompon’andraikitra hatramin’izao. Tsy azo ekena intsony, hoy izy, izany fahanginana sy fitavozavona izany, miandry valiny mazava, haingana ary mangarahara ny rehetra? Ahoana no hanazavana fa tsy nahafantatra mialoha momba ny fandraisana fanapahan-kevitra nataon’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra, talohan’ny fipoahan’ny raharaha ? Iza no nanao sonia ireo fahazoan-dalana ? Anaty toe-javatra miavaka ve no nanaovana azy, sa efa fanaon’izy ireo matetika izany ? Firy no efa nomena tahaka izany ? Nahoana no tsy nisy fanambarana ofisialy natao rehefa tapitra ny datin' ireo taratasy ireo ? Ary nahoana no tsy nisy fanamarinana hentitra natao momba ilay orinasa voakasika ? Tsy azo ekena velively ny fialokalofana ao ambadiky ny fahanginana na ny fiandrasana ny fidiran’ny mpanadihady vahiny vao hisy mazava momba ity raharaha lehibe ity, hoy hatrany i Hajo Andrianarivelo. Notsiahiviny fa anjaran’ireo Andrim-panjakana eto an-toerana, na ara-politika na ara-pitsarana, no mandray andraikitra sy miatrika ny adidiny ary mandray avy hatrany ny fepetra rehetra ilaina. Aminy, tsy ampy ny fanesorana minisitra. "Tokony hosaziana ireo tompon’andraikitra voakasika rehetra mba hanamafisana ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara.", hoy hatrany i Hajo Andrianarivelo. Asa na hivoaka ny marina na tsia fa ny fahitana ity raharaha ity, dia miezaka mampandry adrisa ny Fanjakana Rajoelina. Ezahana fehezina sy ampanginina, indrindra eo anatrehan'ny fiatrehana ny Fivoriamben'ny SADC eto Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.