Nahitsy ny Filohan’ny Malagasy Miara-Miainga na ny MMM Atoa Hajo Andrianainarivelo
omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny raharaha kolikoly iraisam-pirenena mikasika ireo Boeing 777 miisa 5 izay nomena laharana Malagasy, kanefa nalefa antsokosoko any Iran. Nisy ny fanambarana nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa tsy mahalala an’io izy sy ny Filoham-pirenena. « Ny fahitako azy, dia ireny ilay antsoin’ny tanora hoe : « miala bala ». Nilaza ny Praiminisitra fa tsy mahalala ny zava-misy eto amin’ny Firenena izay nataon’ny mpiara-miasa aminy. Mampametra-panontaniana ihany hoe : mbola afaka hitantana Firenena ve ry zareo satria ny olona eo ambany masony aza izany tsy fantany ny ataony dia ny vahoaka Malagasy izany mba fantany ny fiainany amin’izao fotoana izao ? », hoy i Hajo Andrianainarivelo. Notsiahiviny fa efa tao anatin’io governemanta io izy taloha no niala, ary fantatro tsara, hoy izy, fa na fiarakodia iray aza vidiana dia tsy maintsy maka ny sonian’ny Praiminisitra sy ny Filoham-pirenena. Teboka faharoa noresahany ny maha tafiditra ao anatin’ny raharaha trafika iraisam-pirenena an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, izay nilazany fa mety hitera-doza ho an’ny Firenena io. « Ny antso avo ataonay dia ny hoe : tsy tokony ho ny vahoaka Malagasy no hosaziana ao anatin’io, fa ireo olona mpanao trafika izay mitantana ny Firenena satria ry zareo no anton’izany fa tsy ny vahoaka Malagasy izay tsy mahalala na inona na inona », hoy hatrany i Hajo Andrianainarivelo. Aminy, dia azo atao tsara ny manao « saisie » na fanagiazana ny fananany, tsy mamela azy handehandeha mandra-pahavitan’ny fanadihadiana rehetra. Ny fanomezan-dàlana na « autorisation » nomena rahateo hatramin’izao mbola tsy nesorina fa ny fanenjehana an’ireo olona ireo dia nanao hosoka na « falsification » izany hoe : ny fanjakana Malagasy dia nanaiky fa nanome fahazoan-dàlana voalohany tamin’ny volana janoary, ary miheritreritra fa ara-dalàna ny zavatra nataony, hoy ity mpanao politika ity. Hatreto rahateo, hoy izy, tsy mbola nisy fisamborana na fanadihadiana an’ireo olona nanome ny fahazoan-dàlana. Ny dikan’izay dia lasa ara-panjakana na « institutionnelle » ny trafika eto Madagasikara, raha ny fahatsapanay azy. Nanamafy i Hajo Andrianarivelo fa tsy ny vahoaka no tokony hosaziana fa ireo olona manaratsy endrika sy manimba an’i Madagasikara lazan’i Madagasikara, tafiditra amina kolikoly iraisam-pirenena, manakorontana ny fifandraisana iraisam-pirenena.
AHOANA NO HILAZANY FA TSY FANTANY INY OLONA INY ?
Mikasika an’ilay teratany Indianina Khushwinder Singh nolazaina fa tsy fantatry ny mpitondra, kanefa nifanerasera sy nifandray tamina olona ambony samihafa ! Ahoana no tsy hahafahantaran-dry zareo azy izay efa nolazaina fa « conseillé bénévole » tany amin’ny andrim-panjakana iray, mpikarakaraka ny IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) izay hitantsika tsara miaraka amin’ny sary tao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika,… ka mety misy dadarabe mahay masobe tsy mahita any ka tsy hitan-dry zareo raha tsy amin’izao efa misy olana amin’izao fotoana izao, hoy hatrany i Hajo Andrianainarivelo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.