Politique

Hajo Andrianainarivelo “Tsy misy ilana antenimieram-pirenena intsony ”


  • Zoma 24 Martsa 2023

Hajao ireo olom-boafidy na avy aiza naha voafidy azy, hoy ny filohan’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, Hajo Andrianainarivelo,

nandritry ny fanotronany ny fanambaran’ireo depiote nitsipaka ny fitokisany ny praiminisitra sy ny governemantany tetsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola omaly. Na teny anivon’ny kaominina io na distrika dia voafidim-bahoaka, hoy izy. Zava-dehibe ny fanambarana nataon’ireo solombavambahoaka nanao fitsipaham-pitokisana ireo satria midika izany fa misy solombavambahoaka mijoro miaro ny hasin’ny andrim-panjakana iray. Tsy araka ilay voalaza matetika hoe tombontsoany foana no arovan’ny solombavambahoaka. Miaro io andrim-panjakana io zareo satria raha mitoetra ireny didim-pitsarana ireny dia tsy misy antony ilana izany antenimieram-pirenena izany intsony izany manomboka izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT