Hajo Andrianainarivelo

“Tsy maintsy averina ho tany tan-dalàna i Madagasikara!”


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

Mitohy ny tolona ary tsy maintsy averina tany tan-dalàna i Madagasikara,

hoy ny filoha nasionalin’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM, Hajo Andrianainarivelo, raha nampivory ireo mpikambana ao anatin’ny antoko omaly. Tombontsoa iomboanana no tadiaviana rehefa manao politika fa tsy manao fitaovana ny hafa, hoy izy. Ho an’ny vahoaka malagasy rehetra no hanaovana ny tolona. Nidera sy nankasitraka ireo mpikambana tao anatin’ny antoko ny filoha nasionaly, Hajo Andrianainarivelo, tamin’ny fanarahan’izy ireo ny toromarika rehetra nandritra ny tolona izay natao. Namafisin’ny filohan’ny antoko fa mitohy ny tolona ary tsy maintsy averina ho tany tan-dalanana i Madagasikara! Tsy matahotra fifidianana ny antoko ary efa niatrika fifidianana nisy rehetra eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny filohan’ny MMM. Fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra no takiana sy isany niafiana nandritra ny tolona izay natao. Tombotsoa iombonana no tadiavian’ny rehetra manao politika fa tsy manao fitaovana ny hafa. Tsy misy olona natao ambon’ny ny lalàna fa natao ho fehezin’ny lalàna avokoa ny olona rehetra ka tokony hitovy ny fampiarana izany. Tsy nampandroso ny firenena hatramin’izao ny fanaovana fitaovana politika ny foloalindahy. Nisy ny fitoriana izany napetraka tamin’ny fanimbana ny fananan’ireo kandida saingy tsy nisy valiny hatramin'izao. Fampianarana ny olompirenena hitaky ao anatin’ny filaminana no antony hanaovana ny hetsika am-pilaminana na «pacifique» fa tsy midika tsy mahavita akory. Zarina amin’ny zavatra tsara ny olona. Mitohy ny tolona ary entanina ny olona rehetra ho vonona. Misy ihany koa ny toromarika momba izany izay hampitaina hatrany, hoy hatrany i Hajo Andrianainarivelo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT