Politique

Hajo Andrianainarivelo “Tratry ny tsindry avy amin’ny mpamatsy vola ny governemanta”


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Nitondra ny heviny momba ny nivoahan'ny datim-pifidianana ny filoha nasionalin'ny MMM na antoko politika Malagasy miara-miainga, Hajo Andrianarinarivelo, omaly.

Nambarany fa efa notakian'izy ireo herintaona lasa izany tetiandro izany fa namoaka ihany ny governemanta rehefa tratry ny tsindry avy amin'ny mpamatsy vola. Manaporofo izany fa tsy vonona amin'ny fifidianana ny fanjakana raha tsy voatery, hoy izy. Notakiany ny tsy haha tompon-trano mihono ny vahoaka sy ny hanajana ny lalàna. Anisan'izany ny famoriam-bahoaka sy ny fanehoan-kevitra malalaka mba hananana fifidianana mangarahara. Aoka isika vahoaka tsy ho voarebireby intsony amin'ny tsy fanarahan-dalàna sy ny jadona fa mila faranana ny fitantanana tsy nahomby teto tao anatin'ny 63 taona, hoy izy. Notakiany koa ny tokony hampiasana anaty mangaraharaha ny volan'ny Ceni sy ny avy amin'ireo mpiara-miombona antoka. Etsy andaniny, nambaran'ny MMM fa tsy nanaiky ny hanitsy ny lalàm-pifidianana ny fitondram-panjakana. Ho avy anefa ny fifidianana hitsaran'ny vahoaka azy amin'ny tsy nanekena izany, araka ny nambarany. "Heverin'ny mpitondra fa ho tombony ho azy ny tsy fikitihana io lalàna io. Tsy lavorary ary mety hiteraka olana anefa izany lalàm-pifidianana izany ka ho tomponandraikitra amin'izany ny mpitondra. Miantso ny vahoaka izahay hanasazy ny tsy manara-dalana amin'ny alalan'ny fifidianana, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT