Politique

Hajo Andrianainarivelo “Tompon’andraikitra amin’izay mety hiseho eo ny CENI”


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2023

Noho ny fandikan-dalàna sy tsy fahatomombanana samihafa ataon’ny CENI dia namafisin’ny kandida ho filoham-pirenena, Hajo ANdrianainarivelo,

tany Toamasina omaly fa tsy mahafa-po ny fomba fiasan’ity rafitra misahana ny fifidianana ity hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara. Ny tsy fihainoan’ny CENI ny hevitry ny herivelona isan-tokony eto amin’ny firenena izay efa nandroso soso-kevitra ho fanatsarana ny fikarakarana ny fifidianana no mahatonga ny tsy fahatokisan’ny maro azy, hoy ny fanazavana, ka tompon’antoka amin’izay mety hiseho vokatr’izany ny CENI ankehitriny. Tsy misy lojika, anjakan’ny fandikan-dalàna ny fanomanana ny fifidianana. ⅓n’ny mpifidy izay tokony ho voasoratra anarana no tsy tafiditra anaty lisitra satria mpifidy 11 tapitrisa no antontan'isa navoakan'ny CENI raha toa ka 15 tapitrisa no tokony ho isan'ny mpifidy araka ny fanadihadiana nataon'ny INSTAT. “Médecin après la mort” na mpitsabo aorian’ny fahafatesana, izay no azo andikana ny tatitry ny fitsirihana ny rejisitry ny mpifidy nataon’ny OIF sy ireo voalaza ho manam-pahaizana malagasy. Efa nikatona tanteraka ny volana jolay teo ny lisi-pifidianana vao izao mivoaka izao ny tatitra sy soso-kevitra maro samihafa, izay tsy afahanana manao inona intsony. Efa nahatsinjo izao zava-misy izao ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM ary tsy te ho mpiray tsikombakomba amin’ny fandikan-dalàna sy tsy fihetezana. Antony tsy nandraisana anjara hatrany am-piandohana tamin’ity “audit” na fitsirihana ity izany, hoy hatrany ny tenany. Hananan'ny kandida Hajo Andrianainarivelo sy ny MMM ny fahaizana sy ny traikefa mikasika ny fitsinjaram-pahefana, hoy kosa ny MMM. 10 taona izy no ben'ny tanànan'Ambanivohitra Ankadinandriana ary ny MMM irery no antoko politika nahavita nanolotra tolo-dalàna mikasika ny fitsinjaram-pahefana izay mbola ampiasaina hatramin'izao. Rehefa tonga eo amin'ny fitondràna izy dia ho fohanana ny “ordonnance” na hitsivolana 73-015 izay nanafoana ny “budget provincial” na tetibola ho an’ny faritany mba hizorana mankany amin'ny tena fizakan-tenan'ny faritra, hoy hatrany ny voalaza. Ny tena laharam-pahamehana dia ny fampiakarana ny farim-piainan’ny malagasy, hoy indray ny Kandida Hajo Andrianainarivelo. Fanamby tsy maintsy hapetraka, hoy izy, ny hoe tsy misy malagasy milahatra sy mangataka vary intsony satria mahamenatra izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT