Politique

Hajo Andrianainarivelo “Tokony hapetraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy”


  • Alatsinainy 19 Desambra 2022

Nitohy tany Ankazoabo ny fitsidihan'ny filoha nasionalin'ny antoko politika Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, ny atsimo.

Nivoitra tamin'izany ny olana maro samihafa iainan'ny vahoaka any an-toerana toy ny olana sosialy, hoy ny fampitam-baovao. Tsy mifanaraka amin'ny filan'ny mponina ireo fotodrafitrasa any Ankazoabo. Ilaina ny mihaino ny olan'ny vahoaka ety ifotony raha te hampandroso ny firenena, hoy izy. Nanteriny fa tokony hapetraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy ahafahan'ny faritra tsirairay mahaleo tena. Anisan'ny tsy ampy any an-toerana ny tohodrano manondraka ny fambolena. Tsy ampy ny rotsak’orana. Manampy izany ny tsy fisian'ny tosika avy amin'ny mpitondra fanjakana ireo tantsaha mpamokatra. Anisan'ny tsy afa-bela amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro amin'izao fotoana izao raha ny any atsimo. Manoloana izany, nohitsian'ny filoha nasionalin'ny MMM fa tokony hapetraka ireo fotodrafitrasa tena laharam-pahamehana amin'ny vahoaka mba tsy hampikoroso fahana ny fiainam-bahoaka. Adidin'ny antoko ny mihaino ny olan'ny vahoaka eny ifotony. Tanjona amin'ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny mba hiteraka fampandrosoana miainga avy eny ifotony, hoy hatrany izy. Naharitra ora maro ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ireo vahoaka sy ny mpitarika ny MMM, hoy ny fampitam-baovao. Omena fahefana ireo tompon’andraikitra isan-tokony miainga eny ifotony ary henoina ny vahoaka, manomboka eny anivon'ny fokontany sy ny kaominina ary distrika, hoy ny filohan’ny MMM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT