Hajo Andrianainarivelo

«Tena marary ny vahoaka, mila mipaka any ny volam-panjakana »


  • Zoma 21 Martsa 2025

Nahitsy ny Filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM Hajo Andrianainarivelo

omaly naneho fa toa tsy dia maharototra firy ny fitondram-panjakana ankehitriny ny voina mahazo ireo Malagasy lasibatry ny rivodoza in-droa nisesy, raha tarafina tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra izay fanapahan-kevitra isan’ny farantampony eto amin’ny Firenena. «Gaga ihany ny tena raha nahita ny tatitry ny filankevitry ny ministra omaly. Toa tsy mba nisy resaka na dia kely aza ny mahakasika ireo havantsika any atsimo izay traboina sy anaty fahasahiranana lalina taorianan’ireny rivodoza (Honde, Jude) roa nifanesy ireny. », hoy i Hajo Andrianainarivelo. « Aza adinonareo mpitondra fa ny karazana fihaonambe (COI, SADC) izay atao eto Madagasikara dia mandalo ihany fa ny vahoaka Malagasy dia mitoetra ka tokony hatao laharam-pahamehana amin'ny fampiasana ny volam-panjakana", hoy hatrany i Hajo Andrianarivelo. Tsara ny mampahatsiahy, fa talohan’ny filankevitry ny minisitra tany Mahajanga ny 06 martsa no niazo ny tapany atsimon’ny Nosy nizara zavatra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rehefa nangotraka ny kiana fa ny vahoaka traboina, ny mpitondra hihazakazaka hifety any Mahajanga,… Taorian’izay no mbola namely indray ny rivodoza ny ampahana Malagasy saingy na hiviny miresaka an’izany aza tsy hita tamin’ny fanapahan-kevitra anaty filankevitry ny minisitra. Ny hita sy tsikaritra, dia tsy rototra firy amin’ireo zavatra tena marary ny Firenena sy ny vahoaka izay difotry ny fahantrana ny mpitondra fa dodona any anatin’ny fanomanana sy fiomanana ny fandraisana vahiny amin’ireo fihaonambe iraisam-pirenena atao eto. Any amin’ny haingo ambony tsikoko hanarontsaronana fahantrana no handaniana sy hanompanana volam-panjakana, fa tsy ny tena mahasoa ny vahoaka. Mirona kokoa amin’ny fanafenana fahantrana, mitondra Firenena amin’ny alalan’ny serasera sy tranga amin’ny facebook,..
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT