Politique

Hajo Andrianainarivelo «Samia ianareo milatsaka, hoy ny filohan’ny tetezamita taminay!»


  • Alarobia 05 Jolay 2023

Mbola tsy TGV ary tsy tao anaty antoko TGV mihitsy ny tenako, hoy ny filohan’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, Hajo Andrianainarivelo, nivoaka tamin’ny fahanginany omaly.

Raha niditra tanaty sehatry ny politika amin’ny maha ben’ny tanàna ny tena, hoy izy, dia tsy miankina. Ny fe-potoam-piasana miisa 3 nataoko tany Ankadinandriana dia amin’ny maha tsy miankina daholo. Ny fahatsapako fa misy zavatra tokony ho entiko eto amin’ny firenena no nahatonga ahy hanao politika fa indrindra ny sehatra isan’ny tena nahafinaritra ahy satria nitaizana ahy dia ny ambanivohitra, tao Ankadinandriana. Tao anatin’ny 12 taona mahery nitantanako an’Ankadinandriana no nahatsapako fa azo atao tsara ny mampandroso ny firenena. Nisy dingana be dia be izay fantatry ny rehetra efa nataonay tao amin’io Ankadinandriana io. Tsy farany io fa voalohany teto Madagasikara tamin’ny fampandrosoana. Ny fananana drafitra enti-mampandroso no ahafahana mampandroso an’i Madagasikara, amin’ny maha tekinisianina ny tena. Tsy tamin’ny 2009 ihany aho no nandray anjara tamin’ny raharaham-pirenena fa tamin’ny 1991 na dia nianatra tany ivelany aza dia nody taty satria nahatsapa hoe ilaina ny manova zavatra eto amin’ny firenena. Rehefa tonga ny 2013 dia tsy nanapa-kevitra ny filohan’ny tetezamita tamin’izany fa dia niteny taminay hoe samia ianareo milatsaka! Voamarina ny fanapahan-keviny avy eo fa narary taminy iny tsy afa-nilatsaka iny satria mbola nilatsaka ihany izy. Ny MMM sy Hajo Andrianainarivelo tsy mpanao politika politisianina. Mbola any ny filoha Hery Rajaonarimampianina afaka manamarina fa tsy nisy fifanarahana manokana tamin’ny tenako tamin’ny vondrona politika miaradia tamin’ny Malagasy miara-miainga. Tolo-tanana no nataonay hoe vita iny fifidianana iny. Vonona izahay raha ilaina ny mifanome tanana. Niteny izy hoe ilaina daholo ny olona rehetra dia nampianay. Tsy nanolotra an’andriamatoa Haja Resampa ho praiminisitra mihitsy izahay. Araho tsara ny tantara! Tsy any amin’ny hoe fanohanana an’i Andry Rajoelina no niaingan’ny Armada. Tsy akoho ka ho volosana ny Malagasy miara-miainga fa antoko. Tsy fahefana fa vokatra no zava-dehibe rehefa mitondra firenena. Tsy nangataka ny omena minisitera na SGP izahay. Ny filoha no niantso anay hoe omeo olona hitantana an’izao minisitera izao sy izao toerana izao. Tsy nametraka olana izahay raha nahita ny mpitondra tokony ho soloina izahay fa misy tsaratsara kokoa. Tsy mbola naheno ny MMM nimenomenona ianao hoe omeo toerana izahay na tsy nahazo toerana. Tsy toerana no zava-dehibe fa ny asa atao ho an’ny firenena rehefa nomena andraikitra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT