Politique

Hajo Andrianainarivelo Nampitandrina ireo MMM manampatra fahefana


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Nitohy tany Maintirano, any Melaky, indray ny famelabelaran-kevitry ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM.

Nambaran'ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, fa tsy mahita ny olana eny ifotony ny fanjakana foibe. Ilaina ny mifampihaino sy manadihady mba hisorohana tahaka ny mahazo ny sehatry ny lavanila, hoy izy. Mihevitra azy ho mahavita irery ny firenena ny fanjakana foibe. Tsy afaka handroso isika raha mbola izany no toetsaintsika. Sarotra ny hampandroso ny firenena raha mbola tsy hampiharina ny fitsinjaram-pahefana. Efa voalazan’ny lalàna velona anefa izany, hoy hatrany ny tenany. Nampitandrina ireo olom-boatendry manao fanamparam-pahefana sy nanao ramatahora ireo mpikambana MMM nikarakara izao fihaonana izao koa ny tenany. Avelao haneho hevitra malalaka ny vahoaka fa tsy anareo irery akory Madagasikara, hoy izy. Tsy azo ekena ny tsindry sy ny fanamparam-pahefana ary koa ny fandikan-dalàna. Natao itondrana firenena ny politika ary itsinjovana ny besinimaro. Tsy politika ho an'ny ady seza na fiarovana seza fa resaka politika natao hohenoin'ny vahoaka. Mila mihaino sy mahalala ny politika itondrana ny firenena rahateo ny rehetra, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT