Politique

Hajo Andrianainarivelo “Misy ny fifidianana tsy misy demokrasia”


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Mitety an’i Eoropa ankehitriny ny filohan’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, Hajo Andrianainarivelo.

Mihaona amin’ny tomponandraikitra ara-politika sy toekarena isan-karazany ary hiatrika fivoriana avo lenta 2 sosona momba an’i Afrika koa izy, hoy ny fampitam-baovao. Nihaona tamin’ny filohan’ny vaomieran’ny raharaham-bahiny ao amin’ny antenimieram-pirenena frantsay, Jean Louis Bourlange, izy. Nihaona koa tamin’ny mpanangana ny “Nouvelles frontières”, Jacques Maillot, izay sady mpanangana ny « Corsair » ihany koa. Niompana tamin’ny fampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara sy ny fampivoarana ny fifandraisana ana habakabaka izany. Tao Lisbonne, Portugal, izy ny zoma teo niatrika fivoriana niaraka tamin’ireo mpikambana afrikanina ao amin’ny “International démocrate-centriste” na IDC izay misy ny MMM mba hiresahana momba ny demokrasia eto Afrika. Niompana betsaka tamin’ny fivoaran’ny teknolojia mikasika izany, noho izany, ny anjara fitenenan’ny filohan’ny MMM teto. Novelabelariny koa ny vinany momba an’I Afrika, indrindra, mahakasika ny fikarakarana fifidianana. Am-bolana izay no nitaky ny hampidirana ny sarin’ny mpifidy anaty lisitry ny mpifidy ny MMM mba hisian’ny mangarahara sy hanampy ireo maro an’isa tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Nanatrika ity fotoana ity ny filoham-pirenen’i Ginea bisao, izay sady filohan’ny CEDEAO, Sissoco Embalo. Teo koa ny praiminisitr’I Cap vert sady filohan’ny IDC aty Afrika, Ulisse Correia e Silva ary ny praiminisitr’I Sao Tome et principe, Patrice Trovoada. Tsy misy demokrasia raha tsy misy fifidianana fa misy ny fifidianana tsy misy demokrasia, hoy ny fehezantenin’I Hajo Andrianainarivelo nanamarika ireo mpanotrona. Hitodi-doha any Bruxelles, Belzika, indray ny filohan’ny MMM rahampitso talata handray anjara amin’ny Africa political outlook izay iresahana ireo fanamby lehibe mahakasika ny fahaiza-mitantana aty amin’ny kaontinanta afrikanina, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT