Politique

Hajo Andrianainarivelo “Mila politika sahisahy ny firenena”


  • Talata 24 Janoary 2023

Fanalahidy lehibe ahafahana mitondra fanovana eto amin'ny firenena ary miteraka fampandrosoana maharitra ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy,

hoy ny filoha nasionalin'ny antoko politika Malagasy Miara Miainga, Hajo Andrianainarivelo, nitsidika an’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana. Mila politika sahisahy ny fitantanana ny firenena ary ilaina ihany koa ny fanomezana fahefana ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan-tokony, hoy izy. Iray amin'ireo vinan'ny Malagasy Miara Miainga ny hametraka ny fitsinjaram-pahefana ho foto-pisainana sy fomba fiasa ampandraisana anjara ny mpisehatra rehetra eny ifotony. Mila hajaina ny lalana mba hipetrahan'io fitsinjaram-pahefana io. Isan'ny vato misakana amin'ny fampandrosoana ny firenena matetika ny fisian'ireo olom-boatendry isan-tokony toy ny governoram-paritra izay tsy voafidim-bahoaka ka ireto farany indraindray izay tsy mahalala ny tena filana eny ifotony, hoy hatrany izy. Nitohy tao Mananjary ny fitsidiham-paritra. Miantoka ny fampandrosoana ny firenena sy ny fampivoarana ny toe-piainan'ny vahoaka malagasy tsy vaky volo ny fitsinjarana ara-drariny ny volam-panjakana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao eny ifotony, hoy izy tao Manakara. Fototra iray lehibe tsy nampandroso ny firenena ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-bahoaka. Teboka lehibe ahafahana mitondra fampandrosoana ny firenena ny fametrahana mazava ny fitsipika mifehy ny fitantanana ny volam-panjakana eo anivon'ny sampandraharaha isan-tokony, hoy hatrany izy. Nihaona tamin'ireo mpikambana eo anivon'ny antoko ao anatin'ny faritra sy ireo olom-boafidy ary ireo tangalamena sy olo-be tao an-toerana koa moa ny tenany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT