Hajo Andrianainarivelo

“Mila diovina ny tontolo politika vao miroso amin’ny fifidianana!”


  • Talata 10 Oktobra 2023

Noho ny fanitsakitsahany ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona, hoy ny kandida ho filoham-pirenena,

Hajo Andrianainarivelo, dia very hasina ny sata repoblikanina. Nopotehin’i Andry Rajoelina ny andrim-panjakan’ny repoblika, hoy izy. Teo ohatra ny fanelingelenana nataony mba tsy ho tratry ny fitsipaham-pitokisan'ireo solombavamahoaka maro an'isa ny lehiben'ny governemanta, ny fanomezana fahefana vonjimaika io governemanta io rehefa voatery nametra-pialana tsy ho filohan'ny repoblika ny tenany raha toa ka ny filohan'ny Antenimieran-doholona no tokony hitantanana ny firenena. Nisy ny teritery ary kajy politika io fanomezana laka ny governemanta io. Tato ho ato dia vao maika hita mibaribary ny fitanilan'ity governemanta tsy ara-dalana ity, izay misetrasetra sy mampiasa hery famoretana amin'ireo kandida sy ny mpanaradia azy ireo. Nangataka ny zom-pirenena frantsay ny tenany nefa mbola nitondra ny Tetezamita sady filoha ambonin'ny tafika. Azo lazaina ho tsy fanarahana ny etika sy ny fenitra ara-moraly izany amin'ny toerana misy azy. Izany no nahatonga ny kandida miisa 11 miaradia hijoro mba hisian'ny fifidianana tsy mitanila satria dia efa maro koa ny fitarainana momba ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sy ny CENI. Mila diovina ny tontolo politika vao miroso amin'ny fifidianana mba ho eken'ny rehetra ny vokatra, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT