Hajo Andrianainarivelo

«Miha mahantra ny mpamboly izay mbola maro an'isa»


  • Talata 03 Jona 2025

Tsy mety tafarina mihitsy ny vidin’ny lavanila na dia teo aza ny fampanantenana toy

ny mahazatra fanaon’ny fitondrana ary mitohy mitotongana ny sandan’ny Ariary satria ny 1 Euro izany izao 5.180 Ariary, hoy ny filohan’ny antoko politika Malagasy miara-miainga, Hajo Andrianainarivelo, naneho ny heviny omaly. Vokatr’izany, hoy izy, dia mihena ny fahefa-mividin’ny mponina. Miha mahantra ny mpamboly izay mbola maro an'isa amin'ny vahoaka malagasy satria mijanona ambany ny vola azony nefa miakatra ny vidim-piainana. Potika ny toekarena satria isan'ny fampidiram-bola voalohany ho an'ny firenena io seha-pamokarana io. Izany no anton’ny antso nataonay ny amin’ny tokony hanitsiana haingana ny tetibolam-panjakana. Tokony ho laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fari-piainan’ny tokantrano toy ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasa sy fanohanana ny famokarana anatiny, izay afaka mampitombo ny vokatra sy ny fanjifana ary hiarovana ny asa, saingy, hatreto, tsy hita taratra izany tanjona izany amin’ny politikam-panjakana. Vao mainka mandany vola amin-javatra tsy laharaham-pahamehana toy ny tetikasa sy ny lanonana fisehosehoana ny fitondràm-panjakàna, hoy hatrany i Hajo Andrianainarivelo.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT