Politique

Hajo Andrianainarivelo Mampitandrina ny CENI


  • Alakamisy 10 Desambra 2015

Raha sanatria ka misy korontana eto Madagasikara noho izay mety ho fandavan’ny vahoaka Malagasy ny vokatry ny fifidianana Loholona amin’ny 29 ny desambra ho avy izao dia tazominay ho tompon’andraikitra sy mpiray tsikombakomba amin’ny

 

fanjakana  amin’ny fahatongavan’izany olana  politika  vaovao  izany ny komity mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Ceni, hoy  atoa Andrianainarivelo Hajo, filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Miara –Miainga omaly  nandritra ny fanoloran’izy ireo ny  kandidan’ny MMM omaly  teny Ankerana.

 Tsy ara dalàna ny fanaovana ny biraom-pifidianana isaky  ny kaominina, hoy ity  filohan’ny MMM ity izay  nampatsiahy fa na ny  lalàna mikasika ny fitsinjaram-pahefana izay tsy manome zo  hifidy ny  solotenan’ny faritra sy ny solotean’ny  faritany  izay  tsy mbola  misy koa  aza dia  mbola banga.Mahita  lesoka be dia be ny MMM kanefa  raha te hitondra fanovana eto amin’ny firenena manoloana izany  zavatra tsy mety  rehetra izany, hoy ny teniny dia tsy misy afa tsy ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana ihany. Atoa Ratsihoarana Andriamalala Fanomezana izay niara nanangana ny antoko MMM tamin’Atoa Hajo Andrianainarivelo ihany no hitarika ny lisitra MMM eto Antananarivo. Hanohana ny piraiminisitra teo aloha Beriziky Jean Omer kosa ny MMM any  Antsiranana  raha toa ka  ny  solombavambahoakan’Amboasary teo aloha Soja Jean André no  hiray  lisitra amin’izy ireo any Toliara. Ho an’i Mahajanga, Toamasina ary Fianarantsoa kosa indray dia hiara-kiasa  amin’ny antoko Mapar ny  MMM. Manao antso  amin’ireo ben’ny tanàna  namany izay  nilatsaka  an-tery  tamin’ny  antoko hafa ny filohan’ny  MMM mba  hanana fahasahiana  ka tsy  hanaiky  hatao fitaovana intsony.


Andry Ratovo  

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT