Politique

Hajo Andrianainarivelo “Ho tsarain’ny taranaka isika raha ny ankehitriny no tohizana”


  • Alatsinainy 02 Janoary 2023

Niarahaba ny vahoaka malagasy noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2023 ny filohan’ny antoko politika, Malagasy miara-miainga, Hajo Andrianainarivelo.

Fantatro, hoy izy, fa mbola nisedra zavatra maro tsy tambo isaina isika tamin’iny 2022 iny. Tsy hataontsika mahakivy anefa izany fa ho raisina ho hery lehibe sy hakana lesona ho any amin’ny fahombiazan’ny taona 2023. Kihon-dalana lehibe ho an’ny firenena ny taona 2023. Iaraha-miaiky fa raha ny zava-misy ankehitriny no tohizana dia ho tsarain'ny taranaka fara aman-dimby mafy dia mafy eto isika. Mila fahasahiana isika, noho izany, hiara-hanetsika hambom-po, hanitsy famindra ary hiaina indray ireo soatoavina maha malagasy antsika dia ny firaisankina, fihavanana, fahasahiana hanilo hanazava ny lalantsika. Hanavao ny fiainana isan-tokantrano mba ho tena fiadanana sy heniky ny fifankatiavana ny tanin-janantsika. Tomponandraikitra isika. Manana adidy hiova lalana mankany amin'ny fiainana tsaratsara kokoa. Ho amin’ny hoavy tsaratsara kokoa. Ry malagasy havako! Iriako ho taona miavaka ho an’ny isam-batan’olona ny taona 2023 ka ahafahantsika mihaona sy mifaly amin’ireo olona akaikin’ny fontsika rehetra fa indrindra ahafahantsika manatanteraka ireo nofinofintsika tsirairay avy. Mamintsika loatra I Madagasikara. Tsy maintsy miarina ny tanin-janaka, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT