Politique

Hajo Andrianainarivelo «Filohan’ny tetezamita izy no nanao fangatahana zom-pirenena hafa»


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Nahazo zom-pirenena frantsay ny filoham-pirenentsika ny taona 2014, hoy ny filohan’ny antoko politika Malagasy

miara-miainga na MMM nandritry ny fitsidiham-paritra nataony niaraka tamin’ity antoko ity tao Ihosy ny faran’ny herinandro teo. Matoa ianao nahazo dia nangataka, hoy izy. Raha 2014 izy no nahazo dia 2013, fony izy mbola filohan’ny tetezamita, izany izy no nanao ny fangatahana. Mila mitondra fanazavana amin’izany izy. Ahoana no inoako sy hahafahako miheritreritra fa tena voaaro ity tanindrazana ity raha filoha am-perinasa no mangataka zom-pirenena vahiny? Izay no olana. Tsy azo ampitoviana amin’ny olon-tsotra te hanana zom-pirenena hafa ny filoham-pirenena. Mahavariana ny adihevitra miseho amin’izao. Ampitoviana amin’ny mpanao baolina kitra na mpanao basikety ilay filoham-pirenena. Filoham-pirenena no resahana eto. Ilay olona tokana hiaro ny tombontsoa sy fiandrianam-pirenen’i Madagasikara. Aoka tsy ambanimbaniana ohatran’izany ny asa masina atao hoe asana filoham-pirenena fa mandrava firenena izany! Na iza mikasa hitondra an’ity Madagasikara ity ka manana heritreritra an’izany dia toherinay ato amin’ny MMM, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT