Hajo Andrianainarivelo

« Fanambaniana ny PRRM sy PM ny


  • Zoma 21 Novambra 2025

filazana fa izaho no mibaiko ! »

Niparitaka teny amin’ny tambajotran-tserasera tao anatin’ny andro vitsivitsy fa i Hajo Andrianainarivelo no « tompon’ny sehatra ara-politika ao an-dapa », ary manana birao fandraisan’olona ao sy manome baiko ny mpitondra ambony. « Tsy manana birao fiasana eny amin’ny Lapam-panjakanan’Iavoloha na eny Mahazoarivo aho, ary tsy mpanome baiko amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra eto amin’ny Firenena. », hoy i Hajo Andrianairivelo Filohan’ny Antoko MMM na ny Malagasy Miara-Miainga omaly. Nahitsy izy nilaza fa fanaovana tsinontsinona ny filoham-panjakana sy ny Praiminisitra no miteny an’izany. Ny olona miteny izany, hoy izy, dia manohitra ny Fanjakana, fa raha olona manohana ny Fitondrana dia tsy hanao tsinontsinona ny fitondram-panjakana toy izany. Nanipika anefa i Hajo Andrianainarivelo fa manohana ny fitondrana mijoro. Milaza fa nandray anjara tamin’ny fanovana, manohy izany, mahatsiaro ho manana andraikitra amin’ny fanompoana tanindrazana amin’ny maha olom-pirenena. Ankoatra izay, miantso ny mpitondra hanome lanja ny fanabeazana eto Madagasikara ity mpanao politika ity ary nilaza fa tsy tokony hanapahana ny fampianarana ny fahatongavan'ny mpitondra ambony mitsidika na mitokana fotodrafitrasa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT