Hajo Andrianainarivelo

Atsaharo ny rahamatahora!


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

Na teo aza ireo endrika sakatsakana samihafa nataon'ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony tao amin'ny faritra Amoron'i Mania,

tsy nahasakana ny kandida ho filoham-pirenena, Hajo Andrianainarivelo, tsy ho tonga tao amin'ny distrikan'i Fandriana namaly ny fangatahan'ireo mpikambana teo anivon'ny antoko politika MMM na Malagasy miara-miainga izany omaly, raha ny fampitam-baovao voaray. Araka Izany, tontosa tao an-tampon-tanànan'i Fandriana ny fivoriana narahina adihevitra niarahana tamin'ity antoko ity. Fotoana izay nanairan'ny kandida ho filoham-pirenena, Hajo Andrianainarivelo, ireo prefe sy sefo distrika manoloana ny tsindry sy ramatahora, fihetsika mandika lalàna ataon'izy ireo, saika manerana ny nosy, hoy ny fanazavana. Fanjakana manampy ny vahoaka no ilaina eto amin'ny firenena, mpiasam-panjakana hanompo vahoaka noho i Madagasikara efa nahazo ny fahaleovantenany, hoy ity kandida ity. Olom-boafidy sy olom-boatendry miara-misalahy amin'ny vahoaka ho fampandrosoana ny firenena miainga eny ifotony fa tsy tahaka ny zava-misy ankehitriny. Noho io tsy fisian'ny fitsinjaram-pahefana sy endrika fandikan-dalàna samihafa io no mampihemotra an'i Madagasikara, hoy hatrany izy. Ankoatra izay, isan'ny fampanantena nataon'ny filoha Andry Rajoelina ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-41, Ikelikapona-Fandriana. Fampanantena izay tsy tanteraka mandrak'androany, hoy ny ben'ny tanànan'Imito, Jean-Marie Andriatsiravana, nanatrika ity fivoriana narahina hadihevitra ity. Noho io faharatsian'ny lalana io, olana maro no sedrain'ny mponina ato anatin'ny distrikan'i Fandriana, hoy izy. Ambany ny vidim-bokatra. Maro ireo marary mila fitsaboana maika no maty eny an-dalana, indrindra, rehefa fotoam-pahavaratra sy ny maro hafa. Ankoatr'io, sehatra maro ihany koa no anatin'ny fahasahiranana eto amin'ity distrika ity, hoy hatrany ny fanazavana. Nitohy tamin'ny fitsidihana ireo kaominina tantanana ben'ny tanàna lany tamin'ny antoko MMM ny dian'ny delegasionina notarihin'ny kandida ho filoham-pirenena, Hajo Andrianainarivelo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT