Haja Razafinjatovo

« Asa tsy vita 8 taona no vitan-dry Tahina tao anatin’ny 7 volana »


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Efa minisitry ny paositra sy ny fifandrasan-davitra, minisitry ny fanabeazam-pirenena, ary minisitry ny vola i Haja Razafinjatovo.

Anisan’ireo minisitra teto Madagasikara, sokajiana ho tena mahay sy manampahaizana izy ary neken’ny rehetra amin’ny fomba fiasany na ny teto an-toerana na ny any ivelany. Mpampianatra mpikaroka any Etazonia moa izy amin’izao fotoana. Anisan’ireo nampianatra sy namolavola an’i Tahina Razafinjoelina teny amin’ny Oniversiten’Ankatso ny minisitra Haja, niara-niasa akaiky ihany koa izy ireo tao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny vola. Ny fahitany ny fahiratan-tsainan’i Tahina Razafinjoelina no nahatonga ity minisitra teo aloha ity hiantso azy hiara-hiasa taminy. Manaraka akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikara na dia monina sy miasa any Etazonia aza ny minisitra Haja ka hoy indrindra izy manoloana ny maha kandida an’i Tahina Razafinjoelina : « Asa tsy vitan’ny teo aloha 8 taona no novitain’i Tahina sy ny ekipany tao anatin’ny 7 volana. Na ireo mpamatsy vola iraisam-pirenana aza tsy nino satria ny iray ampahafolon’ny vola nolanian’ny teo aloha ihany koa no lany, kanefa ny asa vita, Mpianatro i Tahina ary ela no nahafantarako sy niarahako niasa taminy fa olona tsy mba voavidy vola izany izy”.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT