Politique

Haingosoa Hortençia Antoinesie “Entina ho aiza ity firenentsika ity?”


  • Alarobia 31 Aogositra 2022

Miondrika am-panajana manoloana ny vata-mangatsiakan'ireo izay namoy ny ainy nandritry ny fitifirana variraraka niseho tao Ikongo ny 29 aogositra teo ka namoizana ain'olona miisa 23 ary maratra mafy 40 mahery ny tenako,

hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko politika Maitso, Haingosoa Hortençia Antoinesie, ary miara-miombon'alahelo amin’ny fianakavian'ny maty sy ny vahoakan'Ikongo iraimanontolo. Mirary fahasitranana haingana ho an'ireo izay mbola mitsabo tena, hoy izy. Mankasitraka ny ezaky ny fitondram-pajakana foibe amin’ny fandraisana an-tanana ireo niharam-boina ary mangakata ny fampiharana ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny firenena ho amin’ireo izay nahavanon-doza sy tompon'antoka nahatongavana tamin’izao toe-javatra mampalahelo izao. Manameloka tanteraka amin’ny hery rehetra ny famonoan'olona faobe tahaka izao na inona na inona antony. An’Andriamanitra irery ihany ny aina. Entina ho aiza ity firenentsika ity raha toa ka izay nanankinana ny aina amin’ny resaka fitandroana ny filaminana sy hiaro ny vahoaka sy ny fananany indray no ho lasa loza mitatao ho an'ny vahoaka toy izao sanatriavina? Ain'olona miisa 4 voarohirohy ve no narovana dia ain'olona 23 be izao no nafoy? Ain'olona 40 mahery tandindomin-doza sy fianakaviana an-jatony no nidonam-pahoriana? Tsy fahatokisan'ny vahoaka ny rafitra rehetra misy eny ifotony intsony no anton'ny fangatahana hanao fitsaram-bahoaka. Izany angamba satria efa loza mitatao ho an'ny fiarahamonina ireo olona ireo. Noho izany, mila fanovàna fomba fiasa avy aty ambony mipàka eny ifotony izany izay rafitra sy sampan-draharaha voakasik'izao raharaha izao mba hiverenan'ny fitokisan'ny vahoaka tsikelikely raha tiana hilamina sy hirindra ny fiarahamonina fa tsy vao androany akory no nahenoana izany fangalarana varira sy voamaso varira sy taova varira izany tompoko nefa matetika dia herim-po very maina ny an'ireo fianakaviana voakasik'izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT