Haingo Paradis

«Aoka tsy hanao didin’ny be sandry hoe rehefa IRMAR dia tsy maintsy lany!»


  • Zoma 23 Mey 2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

vaovao izay lany tamin’ny anaran’ny antoko politika TIM, izay voalaza fa kasain’ny mpifaninana taminy, izay kandidan’ny antokon’ny fitondram-panjakàna ho esorina amin’ny toerany. Efa nahavita fianianana izay natrehin’ireo tomponandraiki-panjakàna teto amin’ny firenena nefa io ben’ny tanàna io, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Haingo Paradis. Nanatrika izany ny filohan’ny antenimieran-doholona, hoy izy, ny minisitry ny fitsaràna, ny sekreteram-panjakàna misahana ny tanàna vaovao, tazana teo daholo izany olobe eto amin’ny firenena izany. Rehefa lany nefa ity ben’ny tanàna ity dia izao misy mikasa hanao teti-dratsy izao. Nitory teo anivon’ny fitsaràna miady amin’ny fanjakàna moa ity ben’ny tanàna vaovao ity taorian’ny voka-pifidianan’ny CENI. Resy avy eo ny ben’ny tanàna natolotry ny IRMAR rehefa nivoaka ny vokatra ofisialy. Lasa manao karazana fanamparam-pahefana sy manonontonona anaran’olona eo anivon’ny fitondràna vokatr’izany amin’izao fotoana izao io kandida IRMAR io. Milaza io fa efa mandeha ny fandaminana eny anivon’izany fitsaràna izany ary tsy misy atahorana intsony fa PDS no asolo eo. Mahatsiaro menatra sy afa-baraka ny tena ao anatin’izany rehetra izany. Mila hajaina ny safidim-bahoaka fa tsy mety izany. Mazava koa ny nambaran’ny filoham-pirenena tany Toliara farany teo fa vonona hiara-hiasa amin’ny mpanohitra sy ny rehetra izy. Fotoana tokony hanajàna tena izao rehefa tsy lany fa aoka tsy hanao didin’ny be sandry hoe rehefa IRMAR dia tsy maintsy lany! Tsy ilay ben’ny tanàna lany no arovako fa ny safidim-bahoaka. Hampanjaka ny fahamarinana sy hijoro amin’ny fahamarinana no antom-pisiana. Aoka izay ny fanaovana letrezana! Aoka ho averina amin’ny vahoaka amin’izay ny fahefàna! Miandry ny fitondràm-panjakàna hampanjaka ny fahamarinana ary hampiseho ihany koa fa tsy manao tsinontsinona vahoaka, hoy hatrany i Haingo Paradis.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT