Politique

Hafatry ny olon-tsotra ho an’ny ankolafy 3 Famoahana ireo haino aman-jery nakatona vao fizaran-toerana


  • Talata 18 Oktobra 2011

Tsy misy fitsaharana indray ny fanehoan-kevitry ny olon-tsotra nahita izay nataon’ny namany teto amin’ny Tia Tanindrazana tao ho ao.

 Olon-tsotra mpanara-baovao politika iray hafa indray, izay matetika tsy mety mitonona anarana « noho ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny hono », no tsy afa-po tamin’izay voalaza teto omaly satria ankoatra ny fitakiana ny fodian’ny Filoha Marc Ravalomanana tsy misy fepetra sy ny famoahana tsy misy an-kanavaka ireo gadra politika na olon-tsotra na miaramila, dia mbola fepetra takiana koa, hoy izy, ary ho porofo mivantana ny finiavan’ny fitondrana FAT hiroso any amin’ny fampiharana mivaingana an’ilay sori-dalan’ny SADC sy hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena, ny tokony amoahana ihany koa an’ireo haino aman-jery rehetra nakatona tao anatin’izao tetezamitan’ny FAT izao, indrindra ireo haino aman-jerin’ny lazain-dry zareo fa an’ny mpanohatra (Radio Fahazavana, Radio Mada, sns…).

Fihetsika heverina fa tsy toa inona loatra ireo, hoy izy nefa dia azo hitarafana ny tena fahavononan’ny tarik’i Andry Rajoelina hiroso marina amin’ny tena fiaraha-mitantana fa tsy fahamaizana hahazo fankatoavana fotsiny dia avy eo mety hivadibadi-dela indray. Mbola miantso ny ankolafy 3 hatrany araka izany izahay olon-tsotra mpandalina politika, hoy ity mpandahatra ity, hoe aza maika akory amin’izany fanolorana praiminisitra sy ministra ary CST sy CT izany raha tsy hita soritra ireo zava-boalaza ireo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT