Hanao hetsika amina toerana manokana tsy miankina ao amin’ny
fampiadiana akoho ao Imeritsiatosika ny vahoaka ao anatin’ny distrikan’Arivonimamo anio, raha ny fanamafisana nataon’ny depioten’Arivonimamo Rajerison Antoine omaly, hita tamin’ny pejim-baovao. Ho avy ireo mpitatitra, ny vahoaka maro avy any ambanivohitra,… Nambarany fa mangetaheta te haneho ny heviny vahoaka, te hangataka, misy zavatra tsy zaka, ka haka sehatra izy ireo hahafahan’ny vahoaka miteny. Tafiditra ao anatiny ny fitakiana ny fanalana ny lehiben’ny distrika, fanatsaharana ny fanararaotana ataon’ny ATT (Agence de Transport Terrestre) na mety na tsy mety ny fiara, lasa manome vahana ny kolikoly. Ny resaka jiro tapaka izay tena hitarainan’ny olona, tsy afaka mihary ny olona, tsy afaka miodina ara-dalàna ny fiharian’ny olona. Mangataka ny vahoaka mba tsy hotapahana intsony ny jiro, vahao ny olana hahafahan’ny vahoaka miaina am-pilaminana fa tena mijaly ny vahoaka, hoy Rajerison Antoine. Ny resaka fanoloana sefom-pokontany, bokon’omby tsy mandeha amin’ny laoniny, ny fandaminana ny tsy fandriampahalemana ifotony,… izay misy iandraketan’ny fokontany. Izay nofidian’ny vahoaka eny ifotony no tokony hapetraka, ka takianay miaraka amin’ny vahoaka io. Ny sefom-pokontany no mampiditra ny anaran’ny olona any anaty fokontany ka tokony olona to teny amin’ny vahoaka satria tsy hisy hiditra ao na tsy atokisana ny lisitra raha vao tsy olona itokisan’ny vahoaka, ka tokony hofidiana. Mikasika ny laharam-pahamehan’ny Fanjakana, hiditra « session budgétaire », ka mba hampidiro amin’izay makany amin’ny maro an’isa ny vola. 80% miaina amin’ny fambolena sy ny fiompiana, kanefa 5% ny tetibola atokanareo ho azy, ka kely loatra, maivana loatra, miteraka tsy fisian’ny asa. Tokony haompana amin’ny sehatra mamokatra ny vola mba hiakaran’ny harin-karena faobe na PIB, lany amin’ny tsy misy dikany ny vola, hoy hatrany io depiote io. Homena sehatra mba ho hitan’ny Fanjakana fa marary ny vahoaka, ka tokony haompana any ny vola, ary tsy tokony ho vato misakana amin’ny fampandrosoana ny manam-pahefana eny ifotony,… hoy hatrany ity depiote ity izay nanamafy fa hisy ny hetsika lehibe iarahana amin’ny vahoaka anio. Asa na havela malalaka na hosakanana amin’ny alalan’ny Emmo-reg ? Raha mampahatsiahy ny 2007-2009 dia nolalaovin’i Andry Rajoelina sy nampisongadina azy ary nahazoany ny fon’ireo mpanara-dia azy ny fipetrahany ho lasibatra na « victime » ireo heverina fa fingampingana ara-pitantana sy ara-bola nataon’ny Fitondrana Ravalomanana ka asa raha mba naka lesona tamin’izany ny Fitondrana ankehitriny ? Andrasana izay hiseho ao Imeritsiatosika anio !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.