Hafahafa ihany a !

Prefe tsy ao amin'ny birao andro alatsinainy


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Hafahafa ihany hoe andro alatsinainy no tsy ao amin’ny birao ny prefen’Antananarivo,

hoy ny antoko politika Otrikafo, naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny fangatahan’ireo kandida miisa 11 hanao famoriam-bahoaka etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny zoma izao! Fantatsika, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny, fa efa nandalo fitondrana na “régime” maromaro ilay prefe. Fantatsika ihany koa ny fanaony teo amin’ny fanomezana na tsy fanomezana alalana sy filalaovana andinin-dalàna isan-karazany. Efa tena sarotra amin’ity indray mitoraka ity ny toe-javatra iainan’ny firenena ka tsy tokony hasarotina ilay izy. Fotoana iray io ahafahan’ny prefe maneho fa olon’ny filaminana izy fa raha sanatria hoe fivoriana anaty efitrano no tsy omena alalana dia samy mametra-panontaniana ny rehetra hoe iza izany no tena mitady savorovoro eto amin’ity firenena ity, hoy hatrany ny Otrikafo?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT