Politique

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

 

 Manohitra sy manenjika ny mpanohitra no laharam-pahamehana voalohany ho an’ny fanjakana sy mahasomokitra azy, ary iniana hikipiana sy hodiana adala ny lojika rehetra ara-politika na ny araka ny lalàna. Fampiasana ny andrim-panjakana ho fitaovana politika ho an’ny mpitondra ary ambadika politika ny tolo-dalàna nanovana ny lalàna 2011-013 mifehy ny fanoherana satria fanapenam-bava ankitsirano ny antoko mpanohitra sy fanilihana olona ao amin’ny antoko mpanohitra no kendrena, hoy ny lehiben’ny mpanohitra voafidin’ireo mpanao politika sy depiote mpanohitra, Marc Ravalomanana omaly. Mazava fa fandikana ny lalàmpanorenana, indrindra fa ny andininy faha-14 io tolo-dalàna nolaniana io. Efa betsaka ireo antoko mpanohitra, mpahay lalàna, firaisamonim-pirenena, olon-tsotra,… nitsipaka ny fanovana ny lalàna izay tsy mbola nampiharina akory kanefa mbola mikiribiby ihany ny mpitondra hanova izany, hoy izy. Tsara homarihina fa raha nanao ny fanambarana ho antoko mpanohitra ny Antoko TIM ka nametraka ireo antontan-taratasy ilaina tao amin’ny minisiteran’ny Atitany dia ny fepetra voalaza sy takian’ny lalàna 2011-013 no narahina. Io lalàna io ihany koa no nentin’io minisitera io nandraisana fanapahan-kevitra ka nanekeny ny antontan-taratasy rehetra sy nanomezana ny “récépissé” amin’ny maha antoko mpanohitra ara-dalàna ny TIM. Marihina fa voasoratra ao anatin’ny “Récépissé” ny hoe : “Déclaration d’opposition d’un parti politique en application de la loi n° 2011-013”, izany hoe io lalàna io no narahina tamin’ny famoahana ilay taratasy ara-panjakana maha mpanohitra. Mazava izany fa tsy nisy olana ny fampiharana an’io lalàna io ka tokony hotohizana aza, izany hoe io lalàna io, izay efa neken’ny mpitondra tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny atitany no mifehy ny fanoherana eto Madagasikara,  hoy i Marc Ravalomanana. Tsy nihambahamba ny tenany naneho fa tsy fanajana ny tany tan-dalàna, fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana, fandavana ny zon’ny mpanohitra sy hampanginana azy, indrindra fanamparam-pahefana izay mitondra any amin’ny didy jadona ny fikitihana sy fanovana ny lalàna 2011-013. Adidin’ny antoko mpanohitra no milaza ny tsy mety eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ka noho izany dia toherinay amin’ny endriny rehetra izao fanovana ny lalàna 2011-013 izao, hoy izy. 

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT