Politique

Hafa kely tany amin’ny Lapan’i Elysée « Nandalo Ramaka dia may ny tanàna… »


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Maro no nahatsikaritra ny tsy fahasalamana tampoka nahazo ny iray tamin’ireo miaramilan’ny « garde Républicaine » tao amin’ny lapan’i Elysée Paris Frantsa ny sabotsy lasa teo nandritra ny fahatongavan’ny Filoha Malagasy Andry

Rajoelina teny an-toerana. Nifanandrify indrindra tamin’ny fotoana niakaran’ny Filoha ireo tohatra ka hifandraisany tanana amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron no toa nitambotsitra tampoka sy tsy nahetsika ilay miaramila, nihazakazaka namonjy azy ny vatan-dehilahy miisa 3 avy eo, nibata sy nanala azy teo.Efa nizotra niditra tao an-dapa moa Filoha mirahalahy tamin’izay rehefa avy nifandray tanana sy naka sary toy ny fanao mahazatra. Tsy fahatomombanana ara-pahasalamana tampoka no tombanana ho nanjo ity ranamana ity, ary anisan’ny sary tena tsy fahita firy no nitranga hatramin’izay hoe nisiana filoham-panjakana na filoham-pirenena tonga tao amin’ny lapan’i Elysée . Ny taty Madagasikara moa vantany vao nahita ilay horonantsary dia maro no nahateny avy hatrany hoe : io ary fa tanteraka ilay resak’i Prezida hoe : vao maheno ny anarako, vao mahita ahy dia latsaka « pipi ». Teo koa ireo nilaza fa izao mihitsy no atao hoe ; « mandalo ramaka dia may ny tanàna ». Raha itarina ny resaka dia hoe izay andalovany dia sahirana, 5 taona latsaka kely izao i Andry Rajoelina no nitondra an’i Madagasikara amin’ny maha filoha voafidy azy fa tena mahatadidy ny anarany tsara ny rehetra ny amin’ny zava-nitranga sy ny fihazakazaky ny fitombon’ny fahasahiranana, ireo fampanantenana tsy hita izay tohiny avy eo, ny vava tsy ambina, ny delestazy, ny tsy fandriampahalemana…
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT