Guy Rivo Randrianarisoa

"Zavatra roa no hiseho eto raha resy ny kandidan'ny mpitondra"


  • Talata 07 Mey 2024

Na tsy mandray anjara mivantana amin'ny fifidianana solombavambahoaka aza i Guy Rivo Randrianarisoa

na GR ho an'ireo olona akaiky azy dia manaraka akaiky ny raharaha politika ay ny fiainam-pirenena.Ho an'ity efa solombavambahoaka ary minisitra teo aloha , anisan'ireo akaiky an'i Marc Ravalomanana dia zavatra roa ihany no hiseho rehefa resy eo ny kandidà ny mpitondra na ireo sokajiana hoe kandidam-panjakana
HANAKORONTANA
Voalohany, hoy i GR dia tsy vita akory ny fanisam-bato dia korontaniny ny birao maharesy azy. Faharoa dia foanan'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC ilay Birao nisy korontana Ka hivoaka mandresy zareo eo amin'ny disitrika na mizara ny toerana raha roa ny lanina.
AZO SOROHANA
Ka raha tsy te ho tonga amin'izay isika dia mila misoraka mialoha, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa fa raha sanatria tonga amin'io lazaiko io, na hitabataba eto amin'ny facebook eto toa ny mahazatra aza isika, efa io no didy havoakany.Mitovy amin'ireo kandidà tsy afaka nilatsaka ihany satria tsy nahazo fanamarianan-ketra. Dia samy vita matavy teo. Toa te hiteny izy hoe mila atao faran'izay matotra sy tsy azo hozongozonona amin'ny foto-keviny ary mahalala tsara ny andraikiny ireo delegen'ny mpanohitra isaky ny birao fandatsaham-bato. Mila mikaroka hevitra hisorohana na hifehezana ny korontana fa tsy sanatria ho tafiditra anaty vela-pandrika.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT