Guy Rivo Randrianarisoa

«Mahaiza manetri-tena!»


  • Alarobia 10 Jolay 2024

Izao aloha mbola faly ianareo, hoy ny kandida ho solombavambahoaka tao amin’ny boriboritany faha 5, Guy Rivo Randrianarisoa.

Tsarovy anefa, hoy izy, indrindra, ianareo avy amin'ny antoko, fa rehefa mba miteny ny antoko afaka 5 taona hoe ity indray no kandidà hatolotra fa tsy ianao dia mahaiza manetri-tena! Aza manao toy ny hafa mbola misisika milatsaka mitokana amin'ny anarany dia hitsimpona 1% no mbola hanaratsy ny antoko indray, hoy hatrany ny tenany. Tsy levon’ny vavonin’ity kandida ity ve izany ny tsy nanomezana ny tenany sy ny kandida loha lisitra niaraka taminy, Fetra Ralambozafimbololona, pao-droa tao amin’ity boriboritany ity? Isan’ny fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao izany. Misy ve ny disadisany manokana amin’ny mpiray antoko aminy na ny vondrona politika nanolotra azy? Ho hita eo moa ny tohiny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT