Aza sakantsakanana amin’ny famoriam-bahoaka hanaovany tatitra mikasika ny zava-misy eto amin’ny firenena ny solombavambahoaka na iza izy na iza hoy Rahaiseheno Guy Maxime, mpanao pôlitika, omaly. Hiantohan’ny lalampanorenana sy ny lalana mifehy ny olom-boafidy, indrindra ny lalana mifehy ny antoko mantsy ny fanaovan’ny solombavambahoaka izany hoy izy.
Io fihaonan’ny solombavambahoaka amin’ireo vahoaka nifidy azy io hoy hatrany Atoa Guy Maxime Ralaiseheno no endrika voalohany sy fomba hanaovana tatitra ho an’ny olom-pirenena noho izany tena zo fototr’ izy ireo ny manatontosa izany. Miantso ireo mpitandro ny filaminana mba ho tonga saika ka hiaro ireo solombavambahoaka hanao tatitra etsy amin’ny lapan’ny tananan’Analakely araka izany ity mpanao pôlitika iray ity rahampitso sabotsy. Mikasika ny tenin’ny prefektiora manokana ny amin’ny fangatahana alalana moa vao mahazo mamory vahoaka dia nomarihiny manokana moa fa tsy misy lalana mifehy fa tokony hangataka alalana ny olom-boafidy vao afaka manao tatitra amin’ny vahoaka tahaka izao fa malalaka tanteraka izy ireny. Manentana sy miantso ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina mba ho avy hihaino ny tatitra hataon’ireo solombavambahoaka voafidy eto an-drenivohitra sy ny manodidina etsy amin’ny lapan’ny tananan’Analakely araka izany ity mpanao pôlitika iray ity, rahampitso Sabotsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.