Nanohana ny hetsiky ny rodobe tao Antsirabe Ralaiseheno Guy Maxime ny sabotsy 24 septambra lasa teo.
Tamin’izay no nitondrany fanamarihana sy fanazavana ny sain’ny mpitolona amin’ny fikasan’ny FAT hisambotra ny filoha Marc Ravalomanana any Afrika Atsimo. Resaka tsy mitombina izany fa fampisavorovoroana saim-bahoaka fotsiny, hoy izy. Aminy dia ny FAT mihitsy no tsy mitady fitoniana fa mbola mamboly krizy vaovao indray. Ho diso hevitra ny FAT, hoy i Guy Maxime nanohy ny fanazavany, raha hitetika fankatoavana kanefa tsy hanaraka izay voalazan’ny tondrozotra akory ka ho lany andro hitady fanohanana iraisam-pirenena eo. Ny FAT no mahazo tombony amin’ny fahalavan’ny Krizy satria afaka migalabona amin’ny harem-pirenena izy mianakavy fa tsy ny vahoaka madinika izay tambazana vary mora fotsiny dia variana.
Ny dingana, hoy izy dia efa mazava fa tokony hisy ny fihaonan’ireo filohan’ny Ankolafy efatra taorian’iny sonia voalohany iny satria tsy iny no tena izy fa santatra fotsiny iny ka aorian’izay dia tendrena izay ho Praiminisitra iraisana ary hatsangana ny governemanta tena izy dia miroso amin’ny fikarakarana fifidianana, izay vao misy ny fankatoavana iraisam-pirenena fa ny ankoatra izay dia fandrebirebena saim-bahoaka fotsiny ny ataon’ny FAT toy ny filazana fa fanitarana no atao amin’ireo andrim-panjakana misy amin’izao fotoana sy ny hoe tsy miova intsony io governemanta io fa efa ankatoavina. Aminy dia mbola ho tompon’antoka amin’izay zavatra mbola hitranga eo i Andry Rajoelina raha tsy hanaraka ny voalazan’ny tondrozotra ary tsy tokony hihevitra izy fa azy i Madagasikara, hoy izy namarana ny teniny.
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.