Niverina eto Madagasikara Ingahy Jean Ping sy ireo mpikambana eo anivon’ny GIC, ka anisan’ireny ny OIF, ny vondrona afrikanina, ny solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny firenena mikambana kanefa dia mbola eo amin’ny fitondrana ireo mpanongam-panjakana hatramin’izao.
Mandinika ny zava-misy eto ireo sokajin’olona ireo, hoy ny GTT international, ary mino izahay fa haka fanapahan-kevitra izy ireo. Raha ny tokony ho izy, taorian’ireny fanambaran’ny Sadec, i Etazonia, ny vaomiera eoropeana ireny, dia tsy tokony hisalasala amin’ny fanohizana ny fifampidinihana ao anatin’ny fanajana ny tapaka tany Maputo ny GIC. Izy ireo rahateo dia vavolombelona fa ny ankolafy Rajoelina no sakana goavana tsy mahatanteraka izany fifanarahana izany. Notsiahivin’ny GTT ny zava-misy. Eo ny fahantrana sy fahasahiranana tsy bola nisy toy izany iainan’ny vahoaka sy ny fahasimbana rehetra mianjady amin’ny firenena. Nopotseriny ihany koa fa firenena iray mpikambana eo anivon’ny filankevi-pilaminan’ny firenena mikambana no manohana ireo mpanongam-panjakana ary manasokajy an’i Madagasikara toy ireo firenean afrikanina nozanahany ka mbola eo ambany vahohony foana. Ankoatra ny fanampenam-bava ny mpanao gazety, ny fanosihosena ny zon’olombelona, ny fanagadrana na olon-tsotra, na mpanao politika, na mpanao gazety sy ny famoretana hatao amin’ireo voalaza fa mpanohitra.
Mifanindran-dalana amin’iznay, araka ny fanazavana, tavela any Afrika Atsimo ny filoham-pirenena nofidiam-bahoaka ary dia mbola tena miandry azy ny vahoaka malagasy. Notsiahivina ao anatin’ny taratasy moa ny zava-bitan’ny fitondrana Ravalomanana, raha tsy hiteny afa-tsy ny fampiakarana ho 7% ny harin-karena, kanefa dia lasa 0,2% izany, eo koa ny fikatonan’ny orinasa, ny tsy fandriampahalemana, ny fanaovana tantely afa-drakotra ireo harem-pirenena. Ankehitriny dia hosihosen’ireo mpanongam-panjakana tanteraka ireo fifanarahana rehetra. Manoloana izany dia miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny GTT International mba haka fepetra, hampihatra ny sazy isam-batan’olona. Tokony ho afaka hanome tanana an’i Madagasikara ny Sadc, araka ny filazana, mba hameranana ny fandriampahalemana sy ny filaminana maharitra eto. Manao antso avo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Gasy Tia Tanindrazana hanara-maso ny fampiharana ireo fifanarahana tahaka ny tany Maputo I sy Addis Abeba, izay hany antoka hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.