Manoloana ny resaka sy tsaho miely etsy sy eroa eto Madagasikara amin’izao fotoana izao,
dia namoaka fanambarana ny GTT Iraisam-pirenena, ivondronan’ny Malagasy any ampita, milaza fa “tsy mikatsaka afa-tsy ny hahasoa ny mpiray tanindrazana sy ny firenena” izy ireo ka “tsy hanaiky na oviana na oviana ny fanaovan’ny olon-tokana na antokon’olona am-pihimamba ny harenan’ny Malagasy”.
Ny olana sy ny krizy izay mianjady amin’ny firenena amin’izao fotoana izao dia tsy maintsy hitadiavana vahaolana am-pilaminana, tsy misy herisetra, tsy misy ra Malagasy latsaka. Ny vahaolana, ho an’ny GTT Iraisam-pirenena dia tsy misy afa-tsy ny fanatanterahana ny fifanarahana izay vita sonia tany Maputo I sy II, miampy ireo fifanarahana tovana tany Addis Abeba, ho lalàmpanorenana ijoroan’ny fitondrana tetezamita mandra-pisian’ny fanjakana tena izy eto Madagasikara.
Manamafy hatrany ny fanohanany ny filoha Marc Ravalomanana ny GTT Iraisam-pirenena ao anatin’ny fanambarana ary mametraka mandrakariva ny fanantenany aminy mba hamerenana an’i Madagasikara eo amin’ny lalan’ny fampandrosoana. Manohitra ankitsirano ny politika «françafrique», politika izay ambaran’ny GTT Iraisam-pirenena fa manohy ny fanapotehana sy ny fangejana ny kaontinanta Afrikanina amin’ny fanaovana am-pihimamba ny toe-karenan’ny firenena afrikanina, ao anatin’izany i Madagasikara. Araka izany dia manda ankitsirano ny vahaolana asesiky ny Frantsay ireto Malagasy any ampita ireto satria amin’izy ireo dia fanaovana tsinontsinona ny sata maha mahaleotena ny firenena malagasy sy ny Malagasy iray manontolo izany izay hankalaza ny faha-50 taonan’ny fahaleovantenany tsy ho ela. Mankasitraka kosa ny ezaka ataon’ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny SADC (Southern African Development Community) ny GTT Iraisam-pirenena noho ny fikelezan’izy ireo aina mitady vahaolana amin’izao zavatra mitranga eto Madagasikara izao. Midika izany, hoy ihany ny GTT Iraisam-pirenena, fa manana ny lanjany lehibe sy ny hoaviny i Madagasikara eo anivon’ny fianakaviambe afrikanina.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.