Politique

GTT Iraisam-pirenena - Genčve Tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina no vahaolana maharitra


  • Alarobia 19 Oktobra 2011

Mitaky ny hametrahana ireo fepetra hisiana fitoniana eto amin’ny firenena ny vondrona GTT Iraisam-pirenena manana ny foibeny ao Genčve

 Ao anatin’izany, hoy ity vondrona ity ny famoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika rehetra ary ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana sy ireo sesitany politika rehetra an-tanindrazana tsy misy fepetra. Ankoatra izay dia eo koa ny fisiana fihaonana an-tampony eo amin’ireo filohan’ankolafy efatra hanao sonia ilay sori-dalana. Nohamafisin’ny GTT Iraisam-pirenena fa miombon-kevitra feno amin’ny Vondrona Eoropeanina izay manda ny mety ho fankatoavana an-dRajoelina. Notsiahivin’ny GTT Iraisam-pirenena ny fehin-kevitry ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny volana jona 2011 mandà ny fanomezana fahafahana ny mpanongam-panjakana hikarakara fifidianana sy ny firotsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Notsiahivin’ny GTT Iraisam-pirenena ny tenin’ingahy Louis Michel izay nilaza ny tokony hanafainganana ny drafitra famoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy izay midika ho fampitsaharana avy hatrany ny tari-tokana ataon’ny FAT sy ny fametrahana ireo rafitra vaovao ho an’ny tetezamita iaraha-mitantana sy tenierana. Raha ny fahitan’ny GTT iraisam-pirenena azy dia i Andry Rajoelina no tena sakana amin’ny fikaroham-bahaolana ho famoahana ny firenena amin’izao krizy izao satria efa nisy sonia natao tany Maputo saingy nolaviny tsotra izao izany. Eo koa ny famoahana NOTAM, ny ramatahora sy ny didy fampisamborana avoaka etsy sy eroa ho an’ireo mpitari-tolon’ny ara-dalàna, hoy ihany ny GTT Iraisam-pirenena. Ho an’ity vondron’ny Malagasy mpila ravinahitra any Eoropa ity dia tsara kokoa ny tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina raha tiana marina ny hisiana vahaolana maharitra hampitsaharana izao krizy mianjady amin’ny vahoaka Malagasy izao. Miantso ireo mpanao politika, ireo mpanelanelana toy ny Troika izay nisaoran’ny GTT Iraisam-pirenena noho ny ezaka vita, ireo ankolafy rehetra mba hijanona sy hanaja ny fifanarahan’i Cotonou sy ny fehin-kevitra efa navoakan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT