Politique

GTT International Mbola lalan-tokana ihany ny fanendrena praiminisitra


  • Alarobia 02 Novambra 2011

Olona avy amin’ny vondrom-pirehana misy azy ihany no mbola notendren’i Andry Rajoelina ho praminisitra, hoy ny GTT Iraisam-pirenena.

 Mifanohitra tanteraka amin’ny sori-dalana izay nosoniavina izany, araka ny fanazavana. Raha governemanta tenierana sy iaraha-mitantana, hoy ity vondrona ity dia tokony ho amin’ny firehana Ravalomanana no mitarika ny governemanta tetezamita. Anisan’ny tondroin’ny GTT Iraisam-pirenena molotra moa ingahy Chataigner, ambasadaoro frantsay eto Madagasikara izay tsy nanao afa-tsy ny nanakorontana ny fifanarahana. Ambaran’ny GTT Iraisam-pirenena, izay nanao fivoriambe tao Parisy fa dia mbola paipaikan’ny Frantsay ireny ho fanomezana tombony ireo mpanongam-panjakana.

Hatramin’izao mantsy dia sakanana amin’ny fomba rehetra ny fodian’ny filoha lanim-bahoaka, Marc Ravalomanana, ary dia mbola mitoetra ny didy fampisamborana azy sy ny NOTAM, mbola an-jatony koa ireo gadra politika ary dia sarotra ny hoavin’ireo sesitany politika. Notsiahivin’ny GTT iraisam-pirenena moa fa tsy hanaiky izay fanapahan-kevitra tsy tenierana ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena, araka izany, dia tokony hiantoka ny fampiharana ny sori-dalana, ka ao anatin’izany ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ireo fitsipika rehetra hahazoana praiminisitra tena tenierana sy fanjakana iaraha-manana. Raha tsy mbola tanteraka izay dia mangataka ny hitazonana ny sazy iraisam-pirenena ho an’ny mpanongam-panjakana ny GTT Iraisam-pirenena.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT