Politique

“GTT International Genčve” sampana Toamasina “Misy mitady hanapotika ara-politika Ravalomanana”


  • Alatsinainy 14 Novambra 2011

Nilaza ny heviny mikasika ny raharaha politika misafotofoto sy mikasika ny fitavozavozana amin´ny fanatanterahana ny voalazan´ny tondrozotra, ny sampan´ny GTT International Genčve, ao Toamasina.

 Nambaran´ny mpandrindra iraisam-paritr’ity vondrona ity, Atoa Tsiantoby Zoma Clerand Gynot, fa «misy mihevitra ny hanapotika ara-politika ny filoha Ravalomanana”. “Atao avokoa izao fomba mamohehatra rehetra izao hanakanana azy tsy hiverina an-tanindrazana, amin´izay azo ailika mora fotsiny amin´ny fifidianana hoavy», hoy izy. Nohamafisin´ity mpandrindra ny GTT International Genève sampana Toamasina ity ihany fa tsy manaja ny sonia niarahana sy nifanaovana ary nifanarahana ny milaza azy ho mpitondra ankehitriny.

“Tsy mitaky zavatra betsaka izahay, ny fampiharana ny andininy faha-05 sy ny faha-20 no tena tianay hampiharina haingana raha tena ny tondrozotra no mibaiko ny mpitondra ankehitriny ity», hoy Atoa Tsiantoby Zoma Clerand Gynot, dia miverina tsy misy fepetra eto amin´ny taniny ny mpitsoa-ponenana rehetra noho ny raharaha politika hanenjehana azy ireo, miverina tsy fepetra ny filoha Marc Ravalomanana ary vohaina ireo haino aman-jery nakatona sy nogejaina. Ny fanatontosana izany no «miantoka ny filaminana sy ny fahandriampahalemana ary fitoniana izay antoky ny fampandrosoana sy fialana haingana ao anatin´ny krizy, hoy izy. Nomarihan´ny GTT Genève Toamasina anefa, fa «tsy natao hiady seza izy ireo, fa ny famahana ny krizy no tanjon´izy ireo amin´ny tolona ataony». Ny hetsika sy fanapahan-kevitra raisin´ny sampana ao Toamasina, dia iarahan´izy ireo amin´ny foibeny any Genève (Soisa), tarihan´ny Dr Gilbert Darsot, mpandrindra iraisam-pirenena ny GTT International.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT