Naneho ny tsy fankasitrahany ny fandaniana tsy nisy fanovana ny làlana fehizoro telo momba ny fifidianana teny amin’ny antenimierandoloholona ireo vondron’ireo manam-pahaizana isan-tsokajiny amin’ny sehatry ny lalàna sy ny fifidianana na ny GEN (Groupes des Experts Nationaux), toa an-dry Arlette Ramaroson, Dr. Bruno Rakotoarison, Emérentienne Ratsimbazafy, Désiré Ramakavelo, Hery Ranaivosoa, Holijaona Raboanarijaona, Madeleine Ramaholimihaso, Saraha Rabeharisoa,…
Zavatra maro no nitondran’izy ireo fanakianana ao anatin’io lalàna io, ary hanaovany antso avo amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC tsy hanaiky azy io. Milaza ny mbola hanatitra taratasy fanairana eny amin’ny HCC rahateo izy ireo noho ny fahitany fa tsy tokony hekena io noho izy tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenena sy ny lalàna velona. Andininy maro nitondran’izy ireo fanakianana. Tsy misy fanajana ny zo sy ny fahafan’ireo mpifidy raha toa ka ao ambadik’ireto lalàna ireto, misy kandidà tiana hailika fa tsy mpifidy iray fa an-tapitrisa angamba no hotapenam-bava anefa ny tanjona dia fifidianana mangarahara manome vahana ny safidim-bahoaka, hoy izy ireo. Mazava ao amin’ ny lalàmpanorenana fa ny fandaminana sy ny fitantanana ny raharaha rehetra momba ny fifidianana dia ankinina amin’ny rafitra mahaleo tena iray eto amin’ny firenena, dia natao andraikitry ny CENI izany, kanefa dia salovanin’ny governemanta ny andraikitry ny CENI, hoy izy ireo. Nahoana no tsy natolotra mialoha nandritra herin-taona niasàn’i CENI fa an-kamehana vao nampidirina ? Ny fampielezan-kevitra fihodinana faharoa, dia fohy loatra ny fe-potoana (7 andro) amin’ny fanontàna sy fandefasana ary fanampariahana ny fitaovam-pifidianana any amin’ny biraom-pifidianana,... Ny antotan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fifidianana dia tokony hitovy ho an’ny mpilatsaka hofidiana rehetra (filohan-pirenena, solombavambahoaka…). Amin’ny maha mpahay lalàna azy, dia naneho ny heviny manokana i Arlette Ramaroson, izay sady kandida filoha, fa tsy tokony heken’ny HCC velively io lalàna io. Ho an’i Saraha Rabearisoa kosa, dia tsy azo ekena io, hoy izy, ary na isan’ny mety tsy voakasika amin’ny fanilihana kandida amin’ny fifidianana aza izy, dia miombon-kevitra amin’ny fametrahana fototra mazava sy mangaraharaha mba hisorohana amin’ny korontana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.