Ny filohampirenena no nifidy sy nametraka ny praiminisitra Ntsay Christian ary mbola nametrahany fitokisana, matoa mbola naveriny tamin’ny toerany.
Nilaza ny heviny kosa anefa ny GPR na « Groupement Parlementaire uni pour la Republique », nambaran’Atoa Voninahitsy Jean Eugene, fa tsy mametraka olana amin’ny fanendrena ny praiminisitra ny tenany. Anjaran’ny filoha iny àry izay no safidiny dia ekena tsy asiana adihevitra, hoy hatrany izy. Mikasika ny fanendrena ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta kosa indray dia nilaza izy fa tokony ho teknisianina sy olona mahay ary manana ny maha izy azy no tokony handrafitra izany fa tsy mpanao politika. Ny GPR dia hanolotra olona ho minisitra, ka na dia toerana roa na telo aza no azon’izy ireo dia efa ampy izay, hoy hatrany Voninahitsy Jean Eugene, satria manana olom-boafidy maro ny GPR ary teknisianina ny ankamaroany ary manana traikefa koa.
Hiady amin’ny kolikoly
Ankoatra izay, dia vonona ny hiady amin’ny kolikoly ihany koa atoa Voninahitsy Jean Eugene, voafidy tany Maintirano, tamin’ny antoko politika RPSD Vaovao. Nambarany, fa tena nisy ny kolikoly teny amin’ny Antenimieram-pirenena. Nisy malety nihodina teny, hoy izy. Matoa nisy io, dia nisy ny nampilendalenda. Vonona ny hiady amin’izany hatramin’ny farany ny tenany ary hamerina ny hasiny.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.