Ny fikambanana efatra izay tarihan’Atoa Rabezanahary Albert dia milaza fa hanohana tsy ampihambahambana ny Dr Robinson Jean Louis, dia ny “Paramédicaux Rossignols” manerana an’i Madagasikara, ny filankevi-paritra, “Groupe Les Rossignols” ary ireo sekoly tsy miankina mpiara-dia amin’ny “Groupe Les Rossignols”. Betsaka tokoa mantsy ireo soa nataon’ity minisitry ny fahasalamana teo aloha ity teo amin’ny sehatry ny fanabeazana raha tsy hilaza afa-tsy ny fanaovana ireo andron’ny reny sy ny zaza izay nanolorana fanafody kankana sy vitamina A hatrany an-tsekoly. Tsy misy antony ara-politika moa izao fanohanana ny Dr Robinson Jean Louis izao fa vokatry ny fahatsapana fa izy tokoa no afaka hanampy ny ara-tsosialy, ara-toekarena ary indrindra hanohana ireo tanora.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.