Politique

Groupe International de Contact : Vita ny fakan-kevitra, inona no ho tohiny ?


  • Sabotsy 23 Janoary 2010

Raha nambaran’ny filoha mpiara-mitantana Rakotovahiny Emmanuel fa hateloana no faharetan’ny fihaonan’ny GIC amin’ny ankolafy Malagasy dia tsy nihoatra ny 2 andro izany.

 

Omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora tokoa mantsy dia efa nandao an’i Madagasikara ny filohan’ny vaomieran’ny firaisambe afrikanina, Jean Ping.
Toy ny tamin’ny andro voalohany dia nifandimby noraisin’Ingahy Jean Ping omaly ireo ankolafy isan-tokony. Ankoatra ireo ankolafy 4 sy masoivoho vahiny dia nihaona tamin’ny GIC ny miaramila, dia ny komity miaramila misahana ny fampandrosoana na ny CMDN, nahitana ireo jeneraly maro, teo koa ireo solontenan’ny fiarahamonim-pirenena, ny hetsiky ny mpitondra fivavahana, Ingahy Andriamanjato Richard ary Pierrot Rajaonarivelo. Soso-kevitry ny GIC moa dia tsy misy afa-tsy ny fampiharana ny fifanarahana nosoniavina tany Maputo sy Addis Abeba no vahaolana. Izany hoe fiaraha-mitantana ka mijanona hitondra ny governemanta ny Praiminisitra Mangalaza Eugene. Momba ny fifidianana dia tolo-kevitr’Ingahy Ping ny hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka izay hatambatra. Tsy niandry ny 15 andro nomen’ny GIC handinihana ka hamaliana ny ankolafy Rajoelina fa avy hatrany dia nilaza tamin’ny alalana taratasy fa ho an’ny FAT dia tsy misy afa-tsy ny fanaovana ny fifidianana ihany no vahaolana ary tsy azo heverina, hoy ny FAT, izany fiaraha-mitantana izany. Ho an’ireo ankolafy 3 hafa indray moa dia mazava, mitovy amin’ny GIC ny heviny, dia ny fampiharana izany fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba. Mialoha ny handehanany moa dia nanamarika Ingahy Jean Ping fa tsy izy no mpanelanelana fa Ingahy Chissano, anjarany kosa ny manara-maso ny fivoaran’ny fanelanelanana. Raha misy olana dia tonga izy ireo mandroso vahaolana, anjaran’ny GIC koa ny mijery izay dingana vita sy tsy vita. Tapa-bolana no omen’ny GIC ireo ankolafy Malagasy hijerena sy hamaliana izany tolo-kevitra izany. Mandra-pahatongan’izay, miroso haingana any amin’ny hantsana ny firenena. Izay sahy mijoro hanohitra manko dia miandry azy ny lakrimozena, ny fisamborana ary ny famonjana. Ny ao ambony no mahafantatra izay hanjo ny filoha mpiara-mitantana Fetison Rakoto Andrianirina rehefa lasa Ingahy Jean Ping. Ankoatra izay, mbola hirongatra hatrany koa ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana, an’arivony ireo mbola horoahina amin’ny asany. Etsy ankilan’izany rehetra izany tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana, ny tanàna mikorontana. Aoka fotsiny…
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT