Grand Maître AVOKO sy ny MAF

"Mila olom-baovao, manampaizana ary Tia Tanindrazana isika"


  • Zoma 01 Septambra 2023

Nandritra ny telo (03) volana no nanaovan'ny Filohan'ny Antoko Politika Madagasikara Afaka "MAF" ny Grand Maître

Avoko Rakotoarijaona fitetezam-paritra mba ahafahana mihaino sy miady hevitra amin'ny mpikambana manerana ny Nosy. Raha ny faniriana sy ny hetahetan'ny mpikambana eny ifotony ho an'ity Antoko izay efa niorina ara-panjakana tamin'ny 2009 ity dia i Grand Maître Avoko mihitsy no tokony hirotsaka ho mpifaninana amin'ny fifidianana Filoham-pirenena, saingy namaly avy hatrany ny Filohan'ny "MAF" fa tsy mbola amin'ity fifidianana ity no hirotsahany, saingy ho fantatra amin'ity faran'ny herinandro ity kosa ny kandidà izay ho tohanan'izy ireo. Manana ny soatoavina sy ny vinam-piarahamonina mampiavaka azy ny antoko ka izay kandidà mitovy fijery aminy mba hanohizana ny "MIFOHAZA ry GASY" no safidiana, toy ny hoe vinan'ny fanapariaham-pahefàna tena izy (ara-bola, ara-drafitra), ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny fandrosoana amin'ny fotodrafitr'asa sy ny teknolojia mba tsy ho tara manaraka ny fanatontoloana, manaiky ny maha-zava-dehibe ny olombelona Malagasy alohan'ny zava-drehetra, olom-baovao mbola tsy nahenoana afera maloto, avara-pianarana sy manam-pahaizana ary fahendrena. Ny Antoko Madagasikara Afaka "MAF" dia manana olom-boafidy mpanolotsaina amin'ny kaominina vitsivitsy manerana ny Nosy ary miomana amin'ny fandraisana anjara feno amin'ny fifidianana ho avy toy ny solombavambahoaka, Ben'ny tanàna. Nanamarika hatrany ny Grand Maître Avoko fa efa rà mikoriana ao anatiny ny Fitiavan-tanindrazana ka tsy afaka ny hitazana fotsiny ny zava-misy eto amin'ny Firenena izy.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT