Mihazakazaka ny fandehan-draharaha eto Madagasikara, indrindra fa ny famoahana ny vokatry ny fifidianana roa sosona natao farany teo.
Namoaka ny heviny ny fikambanan’ny mpiasam-panjakana ambony eo amin’ny sehatra nasionaly, fa amin’ny maha tompon’andraikitra ao amin’ny Faritanin’i Toamasina an’Atoa Indray Gregoire, teknisianina mpampianatra lalàna eny amin’ny anjerimanontolo ao Toamasina sady efa solombavambahoaka voafidy tany Andapa ary efa filohan’ny Faritanin’Antsiranana teo aloha, dia nohamafisiny tamin’ny tafa nifanaovana tamin’ny mpanao gazety fa iray ihany ny «Grand corps de l’Etat» eto Madagasikara, tsy mivadibadika, tsy miovaova hevitra ary mitambatra zavatra eritreretina dia ny hampandroso an’ity Madagasikara ity, sady hitondra azy amin’ny lalana tokony halehany ihany koa. Koa ny fanambarana izay nataon’ny «Grand corps de l’Etat» nasionaly dia hamafisin’ny «Grand corps de l’Etat» any amin’ny Faritany. Na izany na tsy izany kosa, ny fahitan’ny eto amin’ny Faritanin’i Toamasina dia tsy mijery tavan’olona na iza na iza ny lany eo na solombavambahoaka na ny filoham-pirenena dia ekenay, fa kosa, mila lany amin’ny fomba madio, mila lany amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny fahamarinany ka izany indrindra no mahatonga anay manao hoe : ilaina ny fangaraharahana marina.
Ka dia tsy afaka hanaiky izahay raha tsy tena mazava sy azo tsapain-tanana ny valim-pifidianana ary mandresy lahatra eto Madagasikara manontolo ”, hoy Atoa Indray Grégoire. Mikasika ny valim-pifidianana vonjimaikan’ny CENI-T indray dia nilaza ity farany fa «aleo hanao ny asany ny andrim-panjakana eto amin’ny firenena, fa izahay kosa tsy maintsy maneho hevitra mba hisorohana ny zavatra mety hitranga, satria hitanay efa mandrangaranga ny krizy ateraky ny fifidianana ka matahotra dia matahotra izahay ka aleo misoroka dieny izao ny zavatra tsy tokony hiseho». Amin’ny maha teknisianina ambony anay, hoy ihany izy, dia mitaky ny hanaovana ny «confrontation des voix» izahay mba hialana amin’ny honohono fa tsy misy maharatsy izany satria fifidianana mangarahara sy eken’ny besinimaro no tadiavintsika eto. Koa aoka samy ho tony isika mianakavy eo am-piandrasana ny tena valim-pifidianana.
Fanja
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.