Ho fanohizana ny fikatsahan’ny antoko Grad Iloafo ny fampihavanana eto amin’ny firenena, vokatry ny fiaraha-midinika teo amin’ny mpikambana dia nanapaka izy ireo fa hanohana ny kandida Dr Robinson Jean Louis. Tsy te hiavaka amin’ireo maro an’isa izao ny efa nametraka ny safidiny amin’ity kandida azo antoka fa hitondra amin’ny fivoahana amin’ny krizy ity izy ireo, araka ny nambaran’ny birao foibe, notarihin’ny filoham-boninahitra Rabetsitonta Tovonanahary tetsy amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary omaly. Mitaona ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, araka izany, ny Grad Iloafo mba handrotsaka ny vatony ho an’ny kandida Dr Robinson Jean Louis ny 20 desambra ho avy izao fa io no azo antoka fa hanavotra ny firenena.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.