Politique

Governoran’Ihorombe “Vita soa ny rivodoza”


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Vita soa ny rivodoza Freddy isika rehetra, hoy ny governoran’ny faritra Ihorombe, Sareine Nomenjanahary. Isaorana indrindra ny Tompo fa nihaino ny vavaka nataon’ilay mpanompo vaviny, hoy izy.

Nijery teny amin’ny manodidina, teny amin’ny kaominina ambanivohitra ny tenanay taorian’ny rivodoza dia hita sy tsapa fa tsy dia nampisy faitrakany be loatra taty amin’ny faritra Ihorombe iny rivodoza Freddy iny. Tsy dia nisy ny fambolena dobon-drano na ny aina nafoy na zavatra maro simba raha araky ny tatitra azo avy amin’ireo kaominina sy sefo distrika ao Iakora sy Ivohibe. Tsy nisy nafindra toerana na traboina tany amin’ny toerana tokony handraisana izany. Na izany aza dia mila mailo hatrany isika fa mety mbola hisy rivodoza hiforona ato ho ato. Elena io ka mila mitandrina hatrany isika. Hamafisina tsara ny tafon- trano, ny vokatra , ny dosie tena ilaina mbola mila atao amin’ny toerana azo antoka tsy ho azon’ny orana . Ny mpitrandraka harena an- kibon’ny tany dia mbola tsy tokony hamonjy any amin’ny kariera. Mbola somary manorana kely ny andro ka mila mailo hatrany. Harao tsy tapaka ny onjapeo sy ireo fepetra omen’ny mpitondra fanjakana eny ifotony, ny sefo distrika, ny delegem-panjakana, ny ben’ny tanana, ny sefo fokontany. Mailo dia manaraka ny toromarika dia mivavaka mafy. Mankahery ireo traboina any amin’ny faritra rahavavy lasibatry ny rivodoza Freddy teo. Samia tahian’Andriamanitra avokoa ry havana rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT