Ny “crédit” na fahana voalaza fa nampiasain’ny governoran’I Melaky ny 13 Jolay 2021 ity nipongatra ity, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo.
Tena miasa mafy i governora satria dia miantso tsy an-kijanona na andro na alina, hoy ny voalaza. Faktiora “Proforma Bureau Région Melaky” , “Achats Carte de recharge” mitotaly 44.400.000Ariary ny iray, ary 39.600.000 Ariary ny iray, izay faktiora nivoaka ny 13 jolay 2021 ireto nipongatra ireto. Raha totaliana ny nampiasain’ny faritra na ny governoran’ny faritra Melaky ny volana jolay 2021 fotsiny dia mitentina 84.000.000Ariary, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Na ny praiminisitra sy ny filoham-pirenena aza ve handany izany na dia niatrika ireny hamehana ara-pahasalamana ireny aza? Raha 84.000.000 Ariary ny volana jolay 2021 dia mety firy izany ny heritaona na roa taona? Tena nolaniana tamin’ny asa tokoa ve io vola nanaovana fahana io? Raha mbola mitohy isam-bolana ity fakitiora ity, tsy mety efa mpanefoefo be ny ve ny mpamatsy na “Fournisseur”?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.