Governoran’Analanjirofo teo aloha

Navoaka ny fonja mba hanao propagandy ?


  • Zoma 10 Mey 2024

Ny 01 mey lasa teo no efa nanomboka nivoaka ny vaovao fa nahazo fahafahana vonjimaika ny

Lehiben’ny Faritra Analanjirofo teo aloha Jacques Ramaroson, izay naiditra am-ponja vonjimaika ny faramparan’ny volana martsa noho izy voarohirohy ho nanodinkodina volam-panjakana. Efa nisy ny resaka nivoaka fa nokasaina havoaka ny fonja ny tenany satria tiana harotsaka ho kandida depiote. Efa notaterina teto ny fisiana fikasana ny hamoahana azy tany am-ponja, ary io tanteraka soa aman-tsara io, saingy efa aty amin’ny propagandy. Ankehitriny, tazana miara-dia amin’ny kandida IRMAR ao Fenoarivo Atsinanana Rtoa Angelica Michelle ny tenany. Fifandrifian-javatra ihany ve amin’ny lafiny iray ny fahafahany vonjimaika amin’izao vanim-potoanan’ny propagandy izao sa antony ara-politika ? Mbola tsy nisy ny didim-pitsarana raikitra, ary mbola misitraka ny zo feno amin’ny maha olom-pirenena ny olona iray noahiahiana rehefa mbola tsy misy an’izay. Na izany aza, fanontaniana aza apetraka ny hoe : nanao ahoana ny tohin’ny raharaha ahiahina fanodinkodinam-panjakana tao Analanjirofo ? Nilamina ve ny raharaha ? Navoaka ny governora teo aloha ka fanaovana propagandin’ny IRD no tambiny ? Andaniny, niampanga ankilaka ity governora ity teo aloha ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fitsidihany tany Analanjirofo roatokombolana lasa izay. Nambarany fa tara amin’ny fandrosoana ny faritra Analanjirofo mitaha amin’ny Faritra Atsinanana, kanefa samy nahazo tohana ara-bola 2miliara Ar sy «engins » mba hanaovana fotodrafitrasa amin’ny làlana, tsy hita hoe ny asa vita tamin’ny tamberim-bidy na « ristourne » avy amin’ny jirofo. Raha nakany Mahanoro aho dia mahita làlana nohajariana na vao namboarina mihitsy, kanefa mankaty Fenerive-Est aho, tena menatra. Manontany tena aho hoe : inona no ataon’ny tompon’andraikitra aty ? hoy i Andry Rajoelina. Fanambarana izay vely kanota mivantana sy toa nanamafy ny fisian’ny fisian’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana na kolikoly.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT