Hatsangana tsy ho ela ny governoram-paritra ary hotanterahina ny fanomezana fahaleovantena amin`ny vola sy fitaovana azy ireo, raha ny loharanom-baovao,
ka antony iray tsy namoahana ny didim-panjakana fiantsoana ny mpifidy handatsa-bato amin`ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsain`ny tanàna raha ny tetiandro natolotry ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI). Tsy mbola fantatra izay fotoana hanaovana ny fifidianana ben`ny tanàna. Tsy maintsy misy lamina hamboarina sy harindra amin`ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana isan-tokony, indrindra amin`ny fahefana omena ho an`ireo ben`ny tanàna manoloana ny fametrahana governora isam-paritra. Tsiahivina fa nirarakompana ny fanesorana tompon’andraikitra ambony teto amin`ny firenena raha ny fanapahana norasin`ny filankevitry ny minisitra ny 20 febroary 2019 ka anisan`ny mangorona entana ireo lehiben`ny faritra 22. Efa nanangasanga ny hametrahana ny governoram-paritra miisa 23 araka ny efa nambaran`ny filoham-pirenena azy, ny 19 janoary lasa teo. Maika ny fanjakana hametraka ny governoram-paritra amin`ny fanatanterahana ny IEM isam-paritra. Ho sarotra tokoa ve no hifehy ireo ben`ny tanàna vaovao raha tsy tafapetraka mialoha ny governoram-paritra ? Zava-dehibe ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara mba hifanaraka marina amin`ny zavatra iaianan`ny mponina, saingy ilaina ny fahamatorana amin`ny fitantanana ny firenena. Antoka lehibe ny famerenana ny fahatokisan`ny vahoaka ny fanjakana ny fifidianana ben`ny tanàna, satria antoky ny filaminana sy fampandrosoana ara-toekarena, fiarahamonina ary sosialy. Na ireo firaisamonim-pirenena aza nampiaka-peo manoloana ny tsy maintsy hanaovana fifidianana amin`ity taona ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.