Politique

Governemantan’ny fampihavanam-pirenena Manana hatramin’ny alakamisy i Beriziky


  • Talata 15 Novambra 2011

Ho avy eto Antananarivo, mety ho amin’ity anio ity ny solontenan’ny Troika-SADC.

 Anton-dian’ity delegasiona ity moa ny fanatrehana ny lanonana ofisialy ho fampahafantarana ny anaran’ireo minisitra handrafitra ny governemanta tarihan’ny praiminisitra Omer Beriziky. Fanatrehana ny lanonana hampahafantarana ny anaran’ireo minisitra no voalaza fa anton-dian’ireto iraky ny SADC ireto saingy maro ihany no resy lahatra fa mbola hijery ny mombamomba ireo kandida rehetra efa tafaresaka tamin’ny praiminisitra ny Sadc ary hametraka karazana mason-tsivana ihany koa amin’ny fisafidianana ireo minisitra. Tsy ny SADC akory no hifidy na hanendry ireo mpikambana ao amin’ny governemanta fa manana ny ambarany kosa izy ireo, ary manana toromarika omena ny filohan’ny FAT sy ny praiminisitra ihany koa.

Misy fepetra maro tsy maintsy arahana mantsy amin’ny fahazoana ilay fankatoavana iraisam-pirenena,izay antoka hiverenan’ny famatsiam-bola avy any ivelany, anisan’izany ny fomba firafitry ny governemanta sy ireo minisitra ao anatiny. Efa nisy hatramin’izay izy io. Manana ny olona heveriny fa afaka mifampiraharaha aminy ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola. Anjaran’ny mpitondra eto amintsika no misafidy izay hahamora na hahasarotra ny fifandraisana amin’ny any ivelany. Ny Sadc rahateo dia notendren’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanelanelana ny amin’ny krizy eto madagasikara ary hanara-maso akaiky koa ny fampiharana ny sori-dalana izay milaza mazava fa tokony hatao zara mitovy ny toerana.

Fiaraha-mitantana no mantsy no tanjona.Tsy voatery hifanojo ny safidin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpitondra. Izay no mahatonga ny fifandresen-dahatra maharitra tahaka ny nisy farany teo tamin’ny fanendrena an’i Omer Beriziky, satria dia tena nandritra ny 4 ora no niady hevitra sy nifanasa vangy teny Iavoloha ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina sy ny iraky ny Troika notarihan’i Marius Fransman. Asa na mbola ho tahaka an’iny no hitranga amin’ity indray mitoraka ity na ahoana fa dia amin’ny alakamisy izany no fotoana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT