Politique

Governemanta vaovao Tokony ho fototr’olona ny mpikambana


  • Zoma 11 Novambra 2011

Tompon’antoka tanteraka amin’ny fampiharana ny tondrozotra izay rehetra nanao sonia izany, hoy ny CST Ranaivoson Désiré raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Antsirabe ny tenany.

 Tsy misy afaka milaza fa hiala an-daharana izany rehefa mahita izay tsy metimety aminy ao. Manaraka izany dia nasiany resaka ihany koa ny fanendrena izay ho mpikambana ao amin’ny governemantan’Ingahy Beriziky ka nilazany fa tokony ho fototr’olona ny ho mpikambana amin’izay ho governemanta vaovao eo. Ny Malagasy, hoy izy, dia tsy manambady olona tsy fanta-pototra raha naka ohatra ny tenany. Araka izany dia ilaina ny mamakafaka lalina ireo olona hotendrena ho minisitra. Tokony ho fantatra ny fototra ara-politikany sy ny antoko misy azy fa tsy rehefa tonga eo izy vao hanangana fikambanana ary mamikitra toerana eo avy eo. Fantarina ihany koa ny fototra ara-pananany fa tsy aorian’ny nanendrena azy dia lasa mahavita manangana “villa” telo aman’efatra indray ary ankoatra izay ny traikefan’ilay olona. Tsy ekena koa, araka ny filazany, ny fanafarana olona avy any ivelany izay tsy fantatra akory ny momba azy.

Ankoatra izay dia tokony ho ireo vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra ihany no manolotra izay ho minisitra ka izay te hilatsaka dia mifanaraka amin’izay vondrona tiany hidirany izy. Ny fanomanana ny fifidianana sy ny hoavy maharitra moa no tokony hojeren’ny rehetra fa tsy ny tetezamita izay tsy maintsy mandalo sy manam-pahataperana akory, hoy ihany ity mpanao politika ity ka tsy ny ady seza no tokony hibahana amin’izao fotoana izao.

Caius Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT