Politique

Governemanta vaovao Hanahiran-tsaina an-dRajoelina…


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Ny faran’ny herinandro teo no noheverina fa hitsanganan’ny governemanta vaovao taorian’ny nanendrena an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra indray rehefa nametra-pialana ny 18 jolay,

 

 

 

 ary ny ampitson’iny ihany dia notendrena. Hatramin’ny omaly mbola hita nanaraka akaiky ny lalaon’ny Nosy atsy Maorisy toa tsy dia rototra firy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Re siosio fa anio no hivoahan’ny anaran’ireo mpikambana, na mety ho amin’ny alarobia farafahatarany. Toa tsy hisy fiovana firy ireo minisitra. Tena nahavita azy sy araka ny nandrasan’ny filoha sy ny nantenain’ny vahoaka ve anefa ny vokatra tao anatin’izay enim-bolana izay ? Fametrahana rafitra sy olona no tena nisongadina tamin’ny asan’ny minisitera tsirairay satria saika ahitana fanendrena tompon’andraikitra ambony hatrany isaky ny misy filan-kevitry ny minisitra. Ho tahaka izany indray enim-bolana manaraka raha hirarakopana ny fanovana. Nisy ihany ny tsy fahamatorana, toy ny fisiana minisitra roa nirotsaka ho depiote ka niahaka sy nomena niandraketana minisitra misahana andraikitra hafa ny minisitera. Ireo minisitra nisafidy ny ho depiote anefa re siosio fa haverina ho minisitra. Mety hisy minisitra hirotsaka ben’ny tanàna ihany koa ao ka izao ve dia hijanona sa hidongy seza hiandry lisitra ofisialin’ny kandida ? Haverina ho minisitra raha tsy lany ? Mandeha indray ny resaka fiaviana amin'ity fananganana governemanta vaovao ity. Misy ireo mitaky ny hametrahana solontena iray isaky ny faritra 22 ao amin'ny governemanta, mba hatao minisitra. Hanomezana lanja ny faritra tsirairay izany raha araka ny fandresen-dahatra hataon’izy ireo. Tsy ny traikefa sy ny fahaizana intsony izany no hifantenana ny olona ho mpikambana ao amin'ny governemanta ny fihaviana? Mety ho antony mahatonga an’io sy mangeja an’Atoa Andry Rajoelina anefa valim-pifidianana filoha farany teo, izay ny avy any amin’ny faritra no tena nampandany azy, saingy tsy tena nifanaraka amin’izany ny fanomezana toerana tao anaty governemanta. Hanahirana ny filoha Rajoelina ireo lafin-javatra maromaromaro ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT